• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Masmalorestaurant.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « sorbet à la mangue » tsy mampiasa « sorbetière »

14/10/2024 16:41 © Moov.Mg

Efa tafiditra anatin’ny vaninandro mafana isika izao ary efa manangasanga eny an-tsena eny ny manga. Maro ireo karazan-tsakafo azo ampiasana ny manga, azo atao lasary, ranom-boankazo, glace, sorbet. Ny fomba fanaovana « sorbet à la mangue » tsy mampiasa « sorbetière » indray ary andeha atoro antsika eto.

Ireo akora ilaina raha hanao « sorbet à la mangue »

-Manga lehibe masaka tsara 2;
-Ranona voasary makirana 2 sotro fihinanana ;
-Tantely 2 na 3 sotro fihinanana (araka izay itiavana azy) ;
-Ravina solila kely hanaingoana azy.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara ny manga dia voasana ary tetehana. Apetraka eo ambony plateau ireo manga voatetika ary fonosina papier sulfurisé. Ampidirina anaty congélateur mandritra ny adiny 2 na 3 ora mba hivaingana tsara.
Rehefa mivaingana tsara iny ny manga dia atao anaty blender na robot matanjaka tsara. Arotsaka ao ny ranona voasary makirana sy ny tantely.
Potserina miaraka ireo akora rehetra ireo mandrapahazoana fangaro malama sy mifangaro tsara. Raha toa ka marihitra loatra ilay fangaro dia tapohana rano tsikelikely sady tohizana ahodina ihany.
Afaka tonga dia aroso raha toa ka « sorbet à la mangue » malefaka no tiana hoanina. Raha tiana somary mafimafy kosa dia atsofoka anaty congélateur mandritra ny adiny 2 na 3 ora.
Tsy adinoina ny manaingo azy amin’ny ravina solila rehefa avy noloharana sy alohan’ny handrosoana azy. Mahatsara endrika sy mampy tsiro mangatsitsiaka azy ireo. Mazotoa homany ary e !

Lire la suite

Articles Similaires