• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Roche
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra hiatrehana ireo fiantraikan'ny « chimiothérapie »

16/10/2024 15:20 © Moov.Mg

Mbola anatin’ny volana hiadiana amin’ny homamiadan’ny nono isika izao. Isan’ireo dingana lehibe amin’ny fitsaboana ity aretina ity moa ny « chimiothérapie ». Miteraka « effets secondaires » maro ary mety tena mampijaly tokoa ny fanaovana ity fitsaboana ity. Andeha ary ho resahana eto ireo mety ho « effets secondaires » ny « chimiothérapie » sy ny fomba atao hiatrehana izany.

Ireo « effets secondaires » ny « chimiothérapie »

Ny « chimiothérapie » moa dia isan’ireo fitsaboana ny homamiadana. Mifantoka amin’ny famonoana ireo « cellules cancéreuses » amin’ny alalan’ny fanafody moa izy ity. Satria mahery tokoa ny fanafody ampiasaina amin’izany dia mety mahatonga « effets secondaires » eo amin’ny marary ny fanaovana azy. Ireto manaraka ireto ary ny santionany amin’ireo « effets secondaires » mety miseho vokatry ny « chimiothérapie » :
-Fihenan’ny « globules » sy ny « plaquettes » anaty rà ;
-Havizanana lalina ;
-Maloiloy sy mandoa ;
-Malain-komana ;
-Mihintsana be na tanteraka ny volo rehetra amin’ny vatana ;
-Mivalana ;
-Mitohana ;
-Manaitaina ao anaty vava sy ny tenda ;
-« Mucosité » izay mankarary vavony, mampandeha rà ny anaty taovam-pandevonan-kanina… ;
-Mampidina ny fahitana ;
-Fanaintainana eo amin’ny hozatra, ny vanintaolana, ny lamosina ;
-Aretina an-doha ;
-Fahamainan’ny hoditra sy fahasimban’ny hoho ;
-Fahasimban’ny taova toy ny fo, avokavoka, aty, voa, tatavy…

Ireo torohevitra manampy hiatrehana ireo « effets secondaires »-n'ny « chimiothérapie »

Mba hiatrehana ny fiantraikan'ny « chimiothérapie » sy mba hahafahana miaina miaraka amin’izany dia ireto avy no tsara atao :
-Miresaka amin’ny mpitsabo mandray an-tanana ny mikasika ireo « effets secondaires » mitranga. Mety misy fanafody sy torohevitra afaka omeny mampitony ireo soritr’aretina ;
-Mampihatra fomba fiaina ara-pahasalamana, toy ny fakana aina, fihinanana sakafo mahasalama sy mora levonina, misotro rano tsara, mandeha tongotra na manao fanatanjahantena tsy mamizaka loatra hampihetsika ny hozatra ;
-Miezaka mampitony ny rarintsaina sy ny tebiteby amin’ny alalan’ny « méditation », « respiration profonde », mialavoly sy mifampiresaka amin’ny havana na ny namana ;
-Arovana amin’ny alalan’ny fampiasana vokatra manokana natokana amin’izany ny hoditra sy ny hoho. Eny amin’ny farmasia no mety ahitana izany vokatra izany ;
-Arahina tsara ny toromariky ny mpitsaboa mikasika ny fampitoniana ny maloiloy sy ny mandoa. Sakafo tsy be « épices » sy tsy mahery fofona no hoanina.

Lire la suite

Articles Similaires