• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Déco.Fr
Image
DYI

Fikafika hanesorana ny tasin’ny penina sarotra miala

15/10/2024 16:40 © Moov.Mg

Toe-javatra matetika mitrangra ny hoe voasoratra tsy nahy tamin’ny penina ny akanjo, ny seza hoditra... Sarotra esorina moa izy ireny ary matetika tsy afaka raha sasana amin’ny rano sy savony. Ireto ary misy fikafika mandaitra hanalana ny tasin’ny penina sarotra miala.

Voasarimakirana, dentifrice sy ronono mafana

Mandaitra amin’ny fanesorana ny tasin’ny penina sarotra esorina eo amin’ny lamba ny fampiasana ireto akora fahita ao an-trano ity. Tsotra ny zavatra atao. Rarahana ranona voasary makirana eo amin’ilay tasinà penina. Avela hilona mandritra ny minitra vitsy avy eo osorana dentifrice eo amboniny. Avela ho maina mba hihamafy ilay dentifrice. Avy eo kikisana ity farany alohan’ny handrarahana ronono mafana eo amin’ilay tasy. Rehefa vita izay dia sasana toy ny mahazatra ilay lamba ary kosehana kely mba hiala tanteraka ilay tasin’ny penina.

Alikaola

Ny alikaola no isan’ireo akora mandaitra indrindra hanesorana ny tasin’ny penina eo amin’ny akanjo na fitaovana vita hoditra (cuir). Ilay karazana alikaola mety mirehitra na ny alikaola 90°C no ampiasaina eto. Rehefa tratr’ity akora ity ny « encre » na ny « gel » ny penina dia ho mora afaka rehefa kosehana amin’ny lamba. Raha toa ka tsy misy alikaola ao an-trano dia afaka mampiasa vinaigitra fotsy na dissolvant. Raha eo amin’ny lamba matevina toy ny jean no tratr’ilay tasy dia afangaro ny alikaola sy ny vinaigitra fotsy. Rarahana io fangaro io ilay faritra misy tasy avy eo atsoboka anaty rano ilay akanjo manontolo. Rehefa vita izay dia sasana toy ny mahazatra ilay lamba.

Eau de Javel sy rano

Raha voasoratra tamin’ny penina ny lamba na ny akanjo fotsy dia ny eau de Javel notapohana rano kely no ampiasaina anesorana ny tasy. Atao anaty kaopy kely amin’ny fatra mitovy ireo akora roa ireo. Avy eo petapetahana mora amin’ny coton-tige nasiana io fangaro io eo amin’ilay tasin’ny penina. Rehefa vita izay dia sasana toy ny mahazatra ilay lamba. Tandremana tsy atao be loatra ny eau de Javel ampiasaina. Ny lamba sy ny akanjo fotsy ihany no ampiharana ity torohevitra ity.

Lire la suite

Articles Similaires