• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © The Truth About Cancer
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ny fifandraisan’ny rarin-tsaina sy ny homamiadana : ‘ndeha ho resahana !

15/10/2024 15:32 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo resaka re eny amin’ny fiarahamonina eny mikasika ny fifandraisan’ny rarin-tsaina amin’ny homamiadana. Voalaza amin’izany fa isan’ireo anton-javatra mahatonga ny homamiadana hono ny rarin-tsaina. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.

Inona tokoa moa ny rarin-tsaina ?

Ny rarin-tsaina dia miseho eo amin’ireo olona miaina anaty adin-tsaina lava, misedra tsindry ara-tsaina, ara-batana na ara-pihetseham-po. Izany hoe ny fanehoana (réaction) ataon’ny vatana manoloana toe-javatra iray mitambesatra amin’ny saina, ny vatana na ny fo izany ny rarin-tsaina. Misy karazany maro ireo toe-javatra mahatonga rarin-tsaina, toy ny asa, tranga mafy niseho teo amin’ny fiainana… Mety avo be tampoka ny rarin-tsaina nefa koa mety maivana fa miverimberina matetika.

Ireo fiantraikan’ny rarin-tsaina eo amin’ny vatana

Eo amin’ny lafiny ara-batana dia mamoaka hormonina toy ny adrénaline sy ny cortisol ny rarin-tsaina. Ireto farany dia mampiakatra ny tosiky ny rà ary manafaingana ny fidoboky ny fo ary manakorontana ny fiasan’ny ao anaty. Ankoatra izay dia voamarina fa mety mampihena ny hery fiarovana ny rarin-tsaina. Ireo fiantraikan’ny rarin-tsaina eo amin’ny vatana ireo no mahatonga ny fiheverana hoe mety mahatonga ny « risques » hahavoa ny homamiadana ny rarin-tsaina.

Mandrisika ny fisian’ny homamiadana tokoa ve ny rarin-tsaina ?

Maro ireo fikarohana notanterahin’ireo manam-pahaizana mikasika ny fifandraisan’ny rarin-tsaina sy ny homamiadana, indrindra ny homamiadan’ny nono. Mbola tsy misy hatreto ireo voka-pikarohana manamarina ny fiantraikan’ny rarin-tsaina eo amin’ny homamiadana. Araky ny fanazavan’ireo mpikaroka dia matetika fitambarana anton-javatra maro no mitarika ny homamiadana.
Voalazan’izy ireo kosa nefa fa mety misy fiantraikany ankolaka eo amin’ny « risques » ahavoa ny homamiadana ny rararin-tsaina. Ankoatra ny fampidinana ny hery fiarovana sy ny fanakorontanana ny hormonina anaty vatana dia mety miteraka fahazaran-dratsy mankarary toy ny fifohana sigara sy fisotroana toaka be loatra, fisakafoanana tsy ara-pahasalamana, tsy fahampiana fanatanjahantena ny rarin-tsaina.

Lire la suite

Articles Similaires