• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Info Du Nord Mont-Tremblant
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tehana fotsy hoan’ny jamba : ireo tsara fantatra mikasik’izany

15/10/2024 14:10 © Moov.Mg

Marihana isaky ny 15 ny volana oktobra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tehana fotsy hoan’ny jamba na ny « canne blanche ». Tsy hazo tsotra fotsiny ny tehana fotsy fa mariky ny fizakan-tena ho an'ny olona jamba sy ireo manana olana lalina amin’ny fahitana. Andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny tehana fotsy na ny « canne blanche ».

Inona no ilaina ny tehana fotsy hoan’ny jamba ?

Ny olona rehetra jamba na manana olana lalina amin’ny fahitana dia afaka mampiasa tehana fotsy na « canne blanche » avokoa amin’ny fiainana andavanandro. Mizara roa lehibe ny asan’ny tehana fotsy hoan’ny jamba. Ny voalohany dia ny fanampiana azy hamindra sady miala ireo sakana mety handratra na hampienjera azy amin’ny alalan’ny fitsapana ny tany handianana. Ny antony faharoa dia ny fampahafantarana ny olona hafa hoe jamba na tsy mahita izy. Manampy betsaka amin’ny fiarovana ny jamba sy ireo tsy mahita izany ny tehana fotsy, indrindra rehefa eny amin’ny arabe, manoloana ireo mpitondra fiarakodia.

Ny fomba fisafidianana ny halavan’ny tehana fotsy hoan’ny jamba

Miankina amin’ny halava sy ny haben’ny olona mampiasa azy ny halavan’ny tehana fotsy hoan’ny jamba. Raha ny tokony ho izy dia tokony ho tonga hatreo amin’ny tratran’ilay mpampiasa azy ny halavan’izy io. Ankoatra izay dia miankina amin’ny tena ampiasana azy ny hisafidianana ny habeny. Izany hoe tokony ho fohifohy kokoa ny halava sy ny haben’ny tehana fotsy raha toa ka ho fampahafantarana ny hafa no tena ilana azy fa tsy ho fanamorana ny famindrana. Amin’ny ankapobeny dia akora maivana toy ny aluminium na plastika nafangaro fibra no hanamboarana azy ireny. Mety afaka miforitra na « télescopique » ny tehana fotsy hoan’ny jamba.

Raha ny eto Madagasikara manokana

Efa tany amin’ny taona 1980 tany ho any no nampidirina teto Madagasikara ny tehana fotsy hoan’ny jamba. Nanampy betsaka ireo olona manana fahasembanana eo amin’ny fahitana mba hanana fahatokisan-tena sy hanana fizakan-tena ny fahatongavan’izy io teto amintsika. Tsikaritra nefa fa mbola sarotra ny fahazoana io tehana fotsy hoan’ny jamba io eo amin’ireo sahirana ary indrindra ireo mipetraka any ambanivohitra. Misy ihany nefa ireo ONG samihafa izay efa misahana ny fizarana ireo tehana fotsy amin’ireo toerana sy olona tena mila izany.

Lire la suite

Articles Similaires