• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Opti-Serv Madagascar
Image
Asa & Fianarana

Karazana asa 3 tsy mitaky diplaoma ambony nefa tsara karama eto Madagasikara

14/10/2024 14:57 © Moov.Mg

Maro amintsika no mihevitra fa sarotra ny mahita asa tsara karama eto Madagasikara rehefa tsy manana diplaoma ny ambaratonga ambony. Maro nefa ireo asa mandray ireo manana bakalorea. Misy amin’ireo asa ireo no mandray karama mihoatra lavitra ny SMIG eto amintsika. Ireto manaraka ireto ary ny santionany amin’izy ireny.

« Téléopérateur » na « agent de centre d’appels »

Tsy mitsahatra ny miroborobo ny sehatra « centres d’appels » eto Madagasikara ka maro ireo orinasa mitady « téléopérateurs » na « agent de centre d’appels ». Ny asa atao amin’izany dia ny fandraisana antso miditra na fanaovana antso mivoaka mikasika ny varotra na ny servisy ho an’ny mpanjifa. Amin’ny ankapobeny dia tsy mitaky diplaoma manokana ity karazana asa ity fa mila manana bakalorea ary mahafehy tsara ny teny frantsay ny mpiasa.
Ny karama hiatombohana dia manodidina ny 600 000 ariary isam-bolana eo ho eo ary mety mihoatra miankina amin’ny traikefa an’ny mpitady asa. Rehefa mitombo ny traikefa dia afaka mahazo fisondrotana ara-kasa sy misahana andraikitra lehibe kokoa toy ny « superviseur ».

« Vendeur » sy « caissier »

Mivoatra sy miroborobo hatrany ny sehatry ny varotra eto Madagasikara. Ireo tranombarotra lehibe sy ireo magazay matetika dia mitady « vendeurs » sy « caissiers ». Ny « vendeur » moa dia ny mpiasa miandraikitra ny fandraisana ny mpanjifa sy ny fivarotana amin’ny ankapobeny. Ny « caissier » kosa dia ny mandray ny vola sy mikirakira ny fitantanana ny vola eo amin’ny « caisse ».
Tsy mila diplaoma mihoatra ny bakalorea ny fanatantarehana ireo asa ireo amin’ny ankapobeny fa mila kosa fahaiza-manao mikasika ny varotra. Manodidina ny 400 000 ariary sy 600 000 ariary ny karama raisina amin’izany. Mety misy fivoarana ara-kasa, toy ny « gestion en magasin » na ny « responsable de ventes » ireo karazana asa ireo rehefa mitombo ny trai-kefa.

« Technicien de maintenance »

Karazana asa tsy mitaky diplaoma be nefa tsara karama eto Madagasikara ihany koa ny « technicien de maintenance ». Ireo orinasa misehatra amin’ny indostria sy ireo « bâtiments commerciaux » matetika no tena mandray ireo karazana mpiasa ireo. Ity asa ity moa mifantoka amin’ny fikolokoloana sy ny fanamboarana ireo fitaovana ampiasaina eo anivon’ny orinasa. Tsy voatery mandia oniversite ireo olona manana bac vao afaka manao ity asa ity. Misy kosa nefa ny fiofanana fohy mila atao mikasik’izany vao raisin’ny mpampiasa.
Amin’ny ankapobeny dia mandray karama eo ho eo amin’ny 500 000 ariary hatramin’ny 800 000 ariary ny « technicien de maintenance ». Miankina amin’ny traikefa sy ny orinasa moa io karama io. Afaka mandalina io sehatra io ihany koa rehefa mandeha ny fotoana ka afaka mahazo fisondrotana ara-kasa toy ny « maintenance industrielle » na « responsable technique ».

Lire la suite

Articles Similaires