• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Université De Bourgogne
Image
Asa & Fianarana

Lalam-piofanana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny Jeografia

03/09/2024 15:44 © Moov.Mg

Maro amin’ireo mpianatra afaka BACC no maniry ny hanohy ny fianarana ao amin’ny lalam-piofanana Jeografia. Ho resahana eto ary ireo tsara fantatra mikasika izany toy ny fomba atao hidirana amin’io lalam-piofanana io sy ireo asa azo atao rehefa nahavita izany.

Ahoana no atao raha maniry hanaraka ny lalam-piofanana Jeografia ?

Ho an’ireo mpianatra manana BACC maniry hanaraka ny lalam-piofanana Jeografia dia ahitana izany ny ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo na Ankatso. Mba hidirana amin’izany dia mila manao « test d’accès » ka taranja roa no hanaovana ny « concours ». Ny voalohany dia mikasika ny Jeografia, izany hoe ny fahalalana manodidina tontolo iainana, ny sosialy ary koa ny toe-karena. Ny faharoa dia hanadinana mikasika ny fahalalana ankapobeny. Ao amin’ny « département FLSH » na Faculté des Lettres et Sciences Humaines no misy io lalam-piofanana io.

Ny fizotry ny lalam-piofanana

Rehefa tafiditra soamantsara ao amin’ny lalam-piofanana Jeografia ao Ankatso ary dia toy izao ny fizotry ny fiofanana.
Manao « Tronc Commun » mandritra ny L1 sy L2. Izany hoe miara-mianatra avokoa mandritra ny taona voalohany ary rehefa mifindra taona faharoa dia mbola miara-mianatra daholo ihany koa ny mpianatra ao amin’ny Jeografia.
Rehefa tafiakatra L3 dia misaraka lalana miankina amin’ny safidiny ny mpianatra. Ireto avy ary ny tohin’ny lalam-piofanana azo hisafidianana manomboka eo amin’ny L3 :
-« Milieux naturels et sciences de la terre ». Izany hoe mianatra momba ny tany amin’ny ankapobeny ka isan’ireo taranja halalinina amin’izany ny « végétation, climat, hydrologie, géomorphologie »… Amin’ny ankapobeny ny mpianatra nanaraka ity fiofanana ity dia lasa miasa amin’ireo sehatr’asa mikasika ny tontolo iainana na koa manohy amin’ny resaka fizahantany…
-« Société et territorialité ». Miompana amin’ny fianarana ny momba ny fanajariana ny tany sy ireo resaka sosialy ity fiofanana ity. Matetika noho izany dia lasa miasa amin’ny sehatry ny fanajariana ny tany sy amin’ireny karazana ONG maro toy ny PAM, USAID… ny mpianatra nahavita azy io.
-« Espace et économie ». Miavaka amin’ireo voalaza ireo ity parcours iray ity satria miampy taranja avy amin’ny lalam-piofanana Economie toy ny « statistiques, économétrie, macro… » izy io. Ankoatra izy dia mianatra mikasika ny fampandrosoana, « géographie des déchets » sy taranja maro samihafa ihany koa izy ity. Mivelatra tokoa ity parcours ity ka maro no asa azo atao rehefa nahavita azy, toy ireo sehatra manodidina ny fampandrosoana, tontolo iainana, toe-karena…
-« Environnement et aménagement du territoire ». Miavaka amin’ireo voalaza teo ambony ity parcours ity satria dia fampiofanana ara-kasa na hoe « professionnalisant » izy ity fa tsy « académique ». Ny lalam-piofanana « milieux naturels et sciences de la terre » sy ny « société et territorialité » dia atambatra ao aminy ary misy ihany koa ireo taranja hafa manampy izany, toy ny « gestion, droit, décentralisation, management »… Malalaka ny sehatr’asa azo hidirana rehefa mahavita azy ity satria afaka manatanteraka ireo karazana asa rehetra voalaza teo ambony.

Lire la suite

Articles Similaires