• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Palmarium.Jpg
Image
Madagasikara

14 oktobra 2024 : Faha-66 taonan'ny Repoblika Malagasy

14/10/2024 09:06 © Moov

14 oktobra 1958 – 14 oktobra 2024. Tsarovana androany ny tsingerintaonan'ny nanambarana tamin'ny fomba ofisialy fa mahaleo tena (amin'ny ampahany) i Madagasikara.

Tokony ny 14 oktobra àry ve no hankalazana ny fetim-pirenena Malagasy ? Raha talohan'ny 1960 dia nitombina tokoa izany. Ny taona 1958 mantsy dia nambara ampahibemaso fa rafitra repoblikana amin'izany no hitondrana ny firenena. Tsy nanankery intsony izany ny rafitra napetraky ny mpanjanatany, na dia tsy azo lavina aza fa mbola niankin-doha tamin'i Lafrantsa hatrany i Madagasikara. Nanomboka teo dia nijoro ireo andrim-panjakana isan-tsokajiny.
Tsara ny mampahatsiahy fa tamin'ny 11 Febroary 1946 no tafatsangana tao an-drenivohitr’i Frantsa ny MDRM Mouvement démocratique de la rénovation malgache, naorin’ireo solombavambahoaka Joseph Ravoahangy sy Joseph Raseta, nampian’ilay « diaspora » Jacques Rabemanajara. Tsy adino ny ady goavana ny 29 marsa 1947 izay namoizana Malagasy maro. Koa satria rava ny MDRM dia nifampiraharahana tamin'ny Frantsay ny fanomezana ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara.

Fa maninona no lasa 26 jona ny fetim-pirenena Malagasy ?

Ny taona 1956 no nivoaka ny lalàna lasitra, izay namela ireo zanatany haneho ny heviny sy ny safidiny amin’ny alalan’ny fifidianana. Nihatra teto Madagasikara izany lalàna izany ny marsa 1957, ka nisy ny fifidianana Solombavambahoaka voalohany.
Mbola tsy fahaleovantena tanteraka ny fiovana rafitra. Mbola nitohy araka izany ny ady mafy na efa Repoblika aza i Madagasikara. Tamin'ny desambra 1959 dia nangataka ny fahaleovanatenan’i Madagasikara tanteraka ny Filoham-pirerena malagasy, Philibert Tsiranana, nandritra ny fivoriambe natao tany St Louis Sénégal, niarahana tamin'ny Jeneraly De Gaulle.
Vokatr'izany dia nisy ny dinika nitadiavana marimaritra iraisana ny 10 febroary 1960, tany Parisy. Fifanaovan-tsonia indroa miantaona ka ny 02 aprily 1960 ny voalohany, ary ny 26 jona ny faharoa. Io daty farany io izany no noraiketina ho fetim-pirenena. Tamin'ny taona 1959 moa dia efa nanana ny hiram-pireneny sy ny sainam-pireneny ny teto Madagasikara. Raha atontaly izany dia naharitra 64 taona no naha-zanatany an'i Madagasikara, raha ny taona 1960 nahazoana ny fahaleovantena no jerena. Tamin'ny 06 aogositra 1896 mantsy no lasa zanatany Frantsay ny firenena Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires