• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Club Med
Image
Madagasikara

Fialantsasatra : Ireo fitandremana tsara atao rehefa mitondra ankizy

14/08/2024 09:12 © Moov

Fialantsasatra ierendoza no tena tanjona. Hiara-mifaly amin'ny fianakaviana no tena handaniana vola handehanana lavitra, ka izany indrindra no itandremana.

Arovana ny ain'ny ao anaty fiara

Matetika dia mitondra fiara manokana ny fianakaviana kely rehefa miala sasatra. Ampahatsiahivina ny tsy hitrotoana zaza eo amin'ny "devant" na inona na inona dongy ataony. Tokony ao aoriana ny ankizy, mipetraka sady mifatotra tsara amin'ny "siège auto". Raha tsy manana "siège auto" dia apetraka ny ankizy ka asiana "ceinture de sécurité". Azo trotroina ny zaza, saingy mila mipetraka tsara ny olon-dehibe mitrotro azy. Na lavitra aza ny lalana, tsara ny manaja lalàna satria ny tsy ampoizina no tena sorohana. Raha tsy misy manao "ceinture de sécurité" ny mpandeha anaty fiara, mety hipitika eny amin'ny "parebrise" raha misy dona mafy avy any aoriana.
Raha mandeha fiara iombonana kosa, tokony maka toerana iray ny zaza mihoatra ny 5 taona. Efa misy ireo taxi-brousse arifomba izay misy "ceinture de securité" isaky ny mpandeha.

Mila mailo raha toerana misy rano no aleha

Tsy vitsy ireo fianakaviana efa namoy anaka an-drano. Na ranomamy na ranomasina no aleha, mila fanaraha-maso tsy tapaka ny ankizy. Azo atao tsara ny manome "bouet" ho an'ny ankizy tsirairay, saingy tsara raha tsy miala lavitra mihitsy ny olondehibe. Mety hisy mantsy ny rivotra mitsoaka ka ho sahirana raha lasa eny ampovoandrano ny ankizy. Raha tsy mampiasa "bouet" kosa, aleo milomano amin'ny faritra marivo. Tsy tokony atao mihitsy ny mamela ny ankizy irery ao anaty rano, na misy ankizy maromaro efa mahay milomano aza eo.
Araka ny fikarohan'ireo manampahaizana, tsara raha voky tsara vao milalao rano. Manana hery kokoa ny olona voky tsara, sady tsy atahorana ho fanina tampoka eo am-pilomanosana.

Mila manomana sakafo ara-pahasalamana

Maro ireo zaza sy ankizy somary malemy kibo. Tokony efa fantatry ny Ray aman-dreny tsirairay moa ny mikasika ny sakafo zakan'ireo zanany. Raha toa ka tsy mahazaka menaka sy sakafo mavesatra ny ankizy dia tsara raha mivatsy avy any an-trano. Azo atao tsara ny mitondra vary sy laoka hanina eny an-dalana raha tsy mihoatra ny 12 ora ny dia. Mila mahandro sakafo avy eo any amin'ny toerana handehanana. Tsara raha manofa trano efa misy fitaovana fandrahoana sakafo. Raha mafy kibo kosa, tsy olana mihitsy ny tsy manomana vatsy firy. Mba isorohana ny fandaniana be loatra nefa dia aleo manomana kitapo misy goûter isankarazany. Azo atao ihany koa ny mitondra glacière mba hampirimana ireo vokatra azo avy amin'ny ronono sy ireo sakafo mora simba. Azo ampiasaina ilay "glacière" rehefa miverina hitondrana trondro sy hazandranomasina isankarazany.

Tokony manaja ireo toromariky ny tompontany

Marobe ireo toerana misy fadifady eto Madagasikara. Matetika dia mametra ny mpivahiny amin'izay tiany atao izany. Misy ireo minia tsy mino tsotr'izao, noho ny finoana samihafa. Na mino nefa na tsy mino, tsara ny manaja ny tompontany, mba isorohana ny olana, izay mety haningotra ny aina mihitsy. Tsy tokony sainina akory ny hanimbazimba fomban'olona, toy ny hoe mitondra kisoa amin'ny faritra Fady kisoa, milomano amin'ny rano tsy azo ilomanosana na manao maloto amin'ny toerana "masina". Tsy midika fivadiham-pinoana na fanompoan-tsampy ny fanajana ireo toromarika samihafa.

Lire la suite

Articles Similaires