• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Franceinfo
Image
Asa & Fianarana

Fampiasana finday : mety misy voka-dratsy eo amin’ny fianaran’ny ankizy

23/09/2024 10:51 © Moov.Mg

Efa maro ankehitriny ny ankizy sy ny tanora mampiasa sy manana finday. Fitaovana manampy amin’ny fifandraisana sy amin’ny fahalalana izy ireny. Raha toa kosa ka tsy ferana ny fampiasan’izy ireo ny finday dia mety hisy voka-dratsy eo amin’ny fianarany izany.

Mampihena ny fifantohana amin’ny fianarana

Mampihena ny fifantohan’ny ankizy sy ny tanora amin’ny fianarana ny fanany finday sy ny fampiasany izany tsy misy fetra. Marina fa tsy mitondra finday mianatra ny ankamaroan’ny mpianatra. Rehefa ao an-trano kosa izy ireo no manararaotra mampiasa izany. Rehefa tonga nefa ny fotoana hanaovana ny enti-mody na hianarana lesona dia mety mety misy miantso, mandefa hafatra miafina… ny finday ka lasa tapatapaka ny fifantohana. Mety ho lasa vita kitotoa ny enti-mody sy ny fianarana lesona reha voalingelin’ny finday matetika.

Misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa

Ny fampiasana be loatra ny finday dia mety mahatonga ny ankizy sy ny tanora lasa tia mitokatokana sy tsy mifanerasera amin’ny olona akaiky azy, toy ny ao amin’ny ankohonana. Mety variana amin’ny kilalao anaty finday na mijery ireny tambazotra sosialy ireny izy ka tsy liana amin’ny fifaneraserana amin’ny hafa. Marihana nefa fa ilain’ny ankizy amin’ny fivoarana ara-tsainy fifandraisana sy ny fifampiresahana amin’ny olona akaiky azy. Mety mampihena ny fahalinany amin’ny fianarana ihany koa izany satria lasa mihidy anatin’ny tontolon’ny kilalao sy ireo zavatra jereny anaty finday ny sainy.

Ireo torohevitra hisorohana ireo vokadratsin’ny finday eo amin’ny fianaran’ny ankizy

Mba hisorohana ireo vokadratsin’ny fampiasana finday eo amin’ny fianaran’ny ankizy sy ny tanora dia ilaina ny :
-Mametraka fitsipika mazava mikasika ny fampiasana finday ao an-trano. Anjaran’ny ray aman-dreny ny mamaritra ny fotoana hanaovana ny enti-mody sy hianarana lesona, hialana voly sy atoriana. Mazava ho azy fa ampirimina ny finday mandritra ireo fotoana ireo.
-Mampahafantatra ny ankizy sy ny tanora amin’ny ireo loza mety hitranga vokatry ny fampiasana ny aterineto. Anisan’izany ohatra ny fisian’ireo olon-dratsy ao amin’ny tambazotra sosialy mety handrahona, hanalabaraka, hisoloky… Tsy adinoina koa ny fiankinan-doha mety ateraky ny fampiasana finday.
-Mampiseho ohatra tsara. Adidin’ny ray aman-dreny ny mampiseho ohatra tsara eo amin’ny zanaka mikasika ny fampiasana ny finday. Anisan’izany ohatra ny famerana ny fampiasana azy ireny rehefa eo am-pisakafoanana, rehefa miaraka miala voly na mifampiresaka ny ankohonana…

Lire la suite

Articles Similaires