• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Antony 3 tokony isafidianana an’i Mahajanga, hialana sasatra

04/09/2024 14:55 © Moov.Mg

Toeram-pialan-tsasatra voalohany safidian’ny mponin’Antananarivo i Mahajanga, ankoatra ny moron-tsiraka atsinanana. Fa maninona ary ? Ireto misy antony 3 fara-fahakeliny, mahatonga ny mpiala sasatra avy eto an-toerana misafidy ny renivohitr’i Boeny.

1 : Ny toetry ny andro

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina ny fialan-tsasatra lehibe eto amintsika, eo anelanelan’ny volana jolay sy septambra. Tsy vitsy, noho izany, ireo te hitsoaka ny hatsiakan’ny renivohitra, ka mamonjy moron-tsiraka, izay manana toe-tany mafana kokoa. I Mahajanga no isan’ny manana izay hafanana mandavan-taona izay. Manodidina ny 27°C ny mari-pana salantsalany any an-toerana, amin’ny ankapobeny. Tsy dia mandrivotra firy ihany koa, fa eo anelanelan’ny 20 hatramin’ny 30km isan’ora izany.

2 : Ny morontsiraka

Tsy lavitry ny tanàna ny moron-dranomasina azo ialana voly ao Mahajanga. Malaza ho maresaka ny « bord » rehefa takariva, ary manome toky amin’ny pakopako sy mosakiky. Tsy lavitra eo ny baobaba lehibe, izay manana hodidina 22,5 m, marika iray amantarana an’i Mahajanga. Azo ialana voly ihany koa eny amin’ny « Village touristique », sady mitazana ny ranomasina tony. Raha hisintaka kely, dia any amin’ny 10 km monja no misy ireo moron-tsirak’Amborovy, dia ny « Petite Plage » sy ny « Grand Pavois ». Azo faranana amin’ny fitsidihana ny « Cirque Rouge », izay manome endrika hafakely rehefa ilay mody masoandro iny.


Copyright Image : © Moov

3 : Ny voan-dalana

Ho an’ny Malagasy, toy ny tsy avy nandeha lavitra raha tsy mivimbina voan-dalana. Manga efa vita lasary na tsia, fintsa, mahabibo, hazan-drano maina na lena, voanio… Samy azo vimbinina avokoa izany rehefa avy miala sasatra any Mahajanga. Raha tsy afaka, na tsy te hijanona eo Ambovondramanesy na eo Ambondromamy, hividy voan-dalana, dia azo atao tsara ny miantsena ao Bazary Be, Bazary Tsaramandroso, Bazary Mahabibo, na Bazary Marolaka Analakely. Tsy azo adinoina ny kisary vita amin’ny fasika anaty tavoahangy, izay mahavariana tokoa ny fomba fiangalian’ireo mpahay azy. Amin’iny lalana mandeha mankany Amborovy iny no isan’ny ahitana mpivarotra azy ireny.


Copyright Image : © Moov

Marobe ireo toerana azo tsidihina manodidina an’i Mahajanga renivohitra : ny valan-javaboaharin’Ankarafantsika, ny « phare » ao Katsepy, ny lava-baton’Anjohibe, ny farihin’i Mangatsa… Fa araka ireo voatanisa ireo, na mijanona eo an-tanànan’i Mahajanga aza dia maro ireo toerana azo tsidihina sy fialam-boly azo atao.



Lire la suite

Articles Similaires