• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wule Symphony Orchestra
Image
Vaovao

Wule Symphony Orchestra : Mozika milamina manandratra ny fifankatiavana sy ny fandriampahalemana

16/03/2025 17:39 © Moov

Tanjon'ny Wule Symphony Orchestra , fikambanana Bouddhiste eto Madagasikara, ny hitondra fiadanana, fifankatiavana sy fandriampahalemana. Mpitendry zavamaneno an-jatony no nanolotra seho miavaka teny amin'ny "Monastère de Xizu" Andranovelona.

Kaonseritra mampitony sy manainga fanahy no natolotry ny "Wule Symphony Orchestra", teny amin'ny Monastère de Xizu Andranovelona, ny atoandron'ny Alahady 16 marsa.

Mozika "Chan"

Sinoa, mpino Bouddhiste, ireo mpiangaly mozika nanolotra ny seho. Ny tena tanjona moa dia ny fisitrahan'ireo mpanatrika ny atao hoe "Dharma", izay fanokafana sy fanadiovana ny vavahadim-panaky amin'ny alalan'ny mozika "Chan". Any Chine sy ireo firenena asiatika hafa mantsy, fanaovana "méditation" izany karazana mozika izany. Mitondra fitoniana tanteraka ny mozika henoina, ka adinon'ny mpihaino avokoa ireo zava-manahirana azy rehetra. Tsy vitsy ihany koa ireo mahita hevi-baovao mihitsy amina tetikasa na amin'ny fiainany manokana. Ho an'ireo mpino moa, na finoana inona na inona, mampivavaka ny fahenoana mozika malefaka miantraika amin'ny ati-fanahy. Miainga amin'ny fiadanam-pon'ny tsirairay tokoa mantsy ny fandriampahaleman'ny fiarahamonina sy ny firenena.

Fifanakalozana kolontsaina

Mandray anjara amin'ny fampiroboroboana ny "culture orientale" ihany koa ny "Wule Symphony Orchestra". Araka ny voalaza etsy ambony, sinoa mandala ny fivavahana Bouddhiste ireo mpiangaly zava-kanto ireo. Noho izany, mampahafantatra ny kolontsaina misy any amin'ny tany niaviany izy ireo. Nibahan-toerana ny mozika nentindrazana sinoa.
Nandritra ny kaonseritra teny Andranovelona, nasandratra avo ihany koa ny fiombonana na dia misy karazana finoana sy kolontsaina maro aza manerana an'i Madagasikara. Nahazo ny anjarany avokoa ny rehetra, na lahy na vavy, na kely na lehibe. Nanotrona ny seho ny olona an-jatony avy ao amin'ny "Association Chinoise de Tananarive". Namboly hazo tao amin'ny Monastère de Xizu izy ireo mialoha ny nisitrahana seho miavaka natolotry ny "Wule Symphony Orchestra"
Anisan'ny tanjon'ireo mpanakanto ireo ny hanolotra fianarana mozika maimaimpoana atsy ho atsy. Mbola misy fandaminana maro tokony atao nefa amin'izany tetikasa izany.

Orkesitra avy eto Madagasikara

Mirehareha amin'ny fipetrahany eto Madagasikara ireo mpiangaly mozika sy hira eo anivon'ny Monastère de Xizu, tarihan'ny Maître Shi Wule. Rehefa mitety firenena maro izy ireo dia manambara amin'ireo mpiara-miasa sy mpijery fa avy eto Madagasikara. Noho izany indrindra, antsoina hoe "Orchestre Symphonique National de Madagascar" ihany koa ny "Wule Symphony Orchestra".
Tsara ny manamarika fa ny ankamaroan'ny sakafo hanin'izy ireo dia avy eto Madagasikara avokoa. Vidian'izy ireo eto an-toerana ny voankazo sy legioma izay foto-tsakafon'ireo Moines isan'andro, satria tsy mihinan-kena izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires