• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Africa Scout Day
Image
Vaovao

Fanabeazana : Eto Madagasikara no ankalazaina ny Andron'ny Skoto aty Afrika

13/03/2025 18:38 © Moov.Mg

Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy androany 13 martsa 2025 ny fankalazana ny Andron'ny Skoto aty Afrika. Mandray solon-tenan’ny Skoto avy amin’ny firenena maro aty amin’ny faritr’i Afrika i Madagasikara, ka eny amin’ny complexe sportif CNaPS Vontovorona izy ireo no manatanteraka lasy lehibe, nanomboka omaly 12 hatramin'ny 16 martsa 2025.

Manana ny lanjany ny Skoto aty Afrika

Fanapahan-kevitra noraisin’ny filàn-kevitry ny minisitry ny vondron’ny Firaisambe Afrikanina (OUA), nandritra ny fivoriana ara-potoana faha-62 tany Addis Abeba, no nananganana ny Andron'ny Skoto aty Afrika. Andiany faha-15 ity ampiantranoan’i Madagasikara ity, hetsika izay nokarakarain’ireo Skoto Zazalahy mivondrona ao anatin’ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara, ahitana ny Tily eto Madagasikara, ny Antilin’i Madagasika sy ny Kiadin'i Madagasikara.

Eto amintsika, manatrika izao lasy lehibe izao, ny talem-paritry ny birao eran-tanin’ny skotisma aty Afrika, Frédéric Kama Kama, miaraka amin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Olo-manan-kaja maro eto amin’ny Firenena ihany koa no nanatrika ny lanonam-panokafana androany, izay marihina fa hetsika eo ambany fiahian’ny minisitern’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nilaza ny minisitra Marson Moustapha Abdulah, fa vondrona iray manana ny lanjany eo amin’ny firenena ny Skoto, na eo amin’ny lafiny fitaizana, na eo amin’ny fitarihana ny tanora. « Mahazo fanabeazana manokana ahafahana miatrika ny fiainana ny Skoto, amin’ny fanajana ny fitsipika sy ny sotoavina, izay mitarika azy ireo amin’ny hoavy mahomby », hoy izy.

Fifampizarana traikefa

Ankoatra ny lasy lehibe eny Vontovorona dia hisy ihany koa ny hetsika hotanterahina manoloana ny Lapan’ny tanàna Analakely, amin’ny 15 martsa ho avy izao. Hanomboka amin’ny 8 ora maraina ny fotoana, ka hisy ny diabe goavana mahafinaritra (Carnaval skoto), ny fampisehoana ara-kolontsaina sy ara-javakanto maro isan-karazany, ary koa ny atrikasa izay hifampizarana fahaizana, arahina fifaninanana. Skoto manodidina ny 2.000 isa no andrasana handray anjara amin’izany.

Skoto mihoatra ny 400 isa avy amin’ny firenena afrikanina maro moa no tonga eto Madagasikara, mankalaza ity Andron’ny Skoto Afrikanina ity. Fotoana iray izy ity, ahafahan’ireo Skoto miara-mianatra, miara-miasa ary mifampizara traikefa eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny tontolo iainana sy eo amin’ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina.

Lire la suite

Articles Similaires