• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Presse De Tunisie
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ady amin’ny homamiadana : ireo fepetra manampy hisorohana izany

05/02/2025 11:21 © Moov.Mg

Aretina isan’ny sarotra na « complexe » ny homamiadana. Azo tsaboina izy ireny ary miankina amin’ny fahasarotan’ny aretina (stade) no mety mahasitrana azy tanteraka na tsia. Anisan’ireo fomba mahomby indrindra hiadiana amin’ny homamiadana ny fisorohana izany. Araho eto ary ireo fepetra tsara arahana.

Mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana

Isan’ireo anton-javatra mety mahatonga ny homamiadana sasany ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana. Mba hampihena ny risques hahavoa ny homamiadana àry dia tsara raha :
-Voankazo sy legioma, indrindra ireo manankarena fibra, no hoanina betsaka rehefa misakafo ;
-Ferana ny fihinanana hena mena, charcuteries, zava-pisotro mamy sy ireo sakafo voahodina. Raha azo atao dia fadiana mihintsy ireto telo farany ;
-Sakafo nokarakaraina sy nandrahoina tao an-trano no hoanina matetika mba ahafahana mandajalanja ny fampiasana menaka, episy, saosy, sira … izay indraindray be loatra any amin’ireny trano fisakafoanana ireny.

Manao fanatanjahantena matetika

Manampy betsaka amin’ny fitaizana ny vatana, ny fikolokoloana ny fahasalamana sy amin’ny fisorohana ny homamiadana ny fanaovana fanatanjahantena matetika. Izany hoe :
-Manetsiketsika vatana isan’andro amin’ny alalan’ny dia-tongotra, fivezivezena amin’ny tohotra, fitaingainana bisikileta… ;
-Fanaovana fanatanjahantena antonony na mafimafy 30 minitra isan’andro fara fahakeliny.

Miala sigara

Isan’ireo anton-javatra voalohany mety mahatonga homamiadana maro ny fifohana sigara. Mba hisorohana azy ireny sy hampihena ny risques dia tsara raha ajanona tanteraka ny fifohana sigara. Ahitana vokatsoa maro avy hatrany ny fialana sigara, eny na dia efa nifoaka an-taonany maro aza.

Ahena ny fisotroana toaka

Anisan’ireo anton-javatra mety mahatonga homamiadana maro ihany koa ny toaka. Ny tsara indrindra dia ny tsy misotro mihintsy. Raha tsy mahavita izany dia ahena farak’izay azo atao ny fisotroana toaka mba hampihena ny risques hahavoa ny homamiadana mety aterak’izany.

Miaro tena amin’ny masoandro

Mampitombo ny risques hahavoan’ny homamiadan’ny hoditra ny « rayons UV » avy amin’ny taratry ny masoandro. Mba hiadiana amin’izany dia fadiana ny mitaninandro mandritra ny fotoana maharitra. Raha tsy maintsy hivoaka amin’ny mainandro dia mila manao satroka manarona ny tarehy sy ny tenda, manao akanjo lava tanana sy pataloha, mampiasa crème solaire…

Lire la suite

Articles Similaires