• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Dépêche
Image
Fahasalamana&Sakafo

Maneno ao anaty sofina : fantaro ny mikasika ny « acouphène »

03/02/2025 10:49 © Moov.Mg

Tranga mety efa nahazo ny ankamaroantsika ny hoe maneno ao anaty sofina na ny atao hoe « acouphène ». Mety manelingelina sy manorisory tokoa ny fisian’izany ka lasa manembatsembana ny fiainana andavanandro. Fa inona no mahatonga ny « acouphène » ? Ahoana ny fitsaboana sy ny fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe « acouphène » ?

Tsy fahatomombanana mahazo ny sofina ny « acouphène ». Miseho amin’ny fahenoana feo (sons ou bruits) ao amin’ny sofina, ilany na izy roa, tsy misy loharanom-peo avy any ivelany izy io. Marihana fa misy karazany roa lehibe ny « acouphène » :
-Ny « acouphènes subjectifs ». Izy io no fahita indrindra ary tsy misy maheno hafa ankoatra ilay olona tratr’izany. Mety ho fahenoana feo toy ny « sifflements », « bourdonnements », « grésillements »… ao anaty sofina izany.
-Ny « acouphènes objectifs ». Mahalana kokoa izy ity karazana « acouphène » ity. Mifandray amin’ny feo tena izy avy ao anatin’ny vatana, toy ny fidoboky ny fo, fihetsiky ny hozatra, fikorian’ny rà… izy io. Mety ho henon’ny mpitsabo izy ity mandritra ny fizahana ilay marary.

Ireo antony mety mahatonga ny « acouphènes »

Maro ireo antony mety mahatonga ny « acouphène » ary indraindray sarotra ny mamantatra azy ireo. Anisan’ireo anton-javatra mety mampisy azy io ny :
-Fijanonana amin’ny toerana misy tabataba mafy mandritra ny fotoana maharitra ka mety manimba ny « cellules » ao anatin’ny sofina ;
-Fahanterana. Rehefa miha antitra ny olona iray dia mihasimba ny rafi-tsofina. Izany dia mety mitarika tsy fahatomombanan’ny sofina toy ny « acouphène » ;
-Olana ara-pahasalamana. Misy aretina sasany, toy ny tosidrà avo, diabeta… mety mahatonga « acouphène » ;
-Fanafody toy ny aspirine na ny antibiotiques sasan-tsasany izay mety miteraka « effets ototoxiques » mahatonga « acouphènes » ;
-Tebiteby sy rarintsaina izay mety miteraka fahasarotana amin’ny fahatsapana ireo « acouphènes » sy mahamafy izany.

Fitsaboana ny « acouphène »

Ny mpitsabo no manatanteraka ny fizahana ahafahana mamaritra ny karazana « acouphène » mahavoa ilay marary sy ny antony mety nahatonga izany. Misy ihany koa ireo fitiliana ampanaovany ahitana sao mifono aretina ambadika ilay « acouphène ». Miankina amin’ireo rehetra ireo ny fomba fitsaboana atao.

Ny fisorohana azo atao

Tena ilaina tokoa ny mikolokolo ny sofina mba hisorohana ny « acouphène ». Anisan’ireo zavatra azo atao :
-Ferana ny fijanonana amin’ny toerana be tabataba mafy. Raha tsy maintsy mijanona amin’izany dia mampiasa fiarovana sofina mba tsy hahenoana ilay feo mafy loatra ;
-Arahina maso hatrany ny toe-pahasalamana, toy ny tosidrà, ny siramamy anaty rà, ny tahan’ny cholestérol ;
-Mianatra mifehy ny rarintsaina sy ny tebiteby amin’ny alalan’ny « techniques de relaxation », ny fanaovana fanatanjahantena, ny fialana voly…

Lire la suite

Articles Similaires