• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Glouton Trotteur
Image
Sexualité & Mariage

Akanjomandry, sarindoha sy tarehy feno "masque" : Tsy mahatamana vady ao an-trano

09/01/2025 11:19 © Moov

Toa fahazarana ny tsy mivaky loha loatra amin'ny paozy atao ao an-trano. Izay hahazoana aina no atao, hany ka rehefa hivoaka ny trano ihany vao manao paozy tsara. Mety misy fiantraikany ratsy amin'ny fifankatiavana nefa izany.

Miha-maro ireo tokantrano mikorontana na rava. Niantomboka tamin'ny fitiavana miredareda avokoa nefa ireo mpifankatia rehetra vao niroso tamin'ny fanambadiana. Mihena àry ve ny fitiavana sa mifankaleo rehefa mifankahita foana ? Azo heverina fa mampihena ny "attirance" amin'ny andaniny na ny ankilany ny fahitana azy tsy dia mikarakara vatana loatra, na koa mikarakara vatana fatratra saingy takona tanteraka ny endrika amam-bika rehefa ao an-trano.

Endrika ivelany

Na niaraka aman-taonany maro aza, paozy tsara hatrany no nihaonan'ny mpifankatia. Na ny lahy na ny vavy, tsara fitafiana sy manimanitra ery rehefa miaraka amin'ilay tiany. Rehefa mitokan-trano nefa, mifankahita tsara amin'izay ny roa tonta : tarehy feno rarakivy rehefa vao mifoha, fofom-bava, nono miroraka, volovolo tsy miala, sns. Tsy azo afenina izany satria efa nisafidy ny hiara-dalana ny olon-droa.
Misy kosa nefa ny ezaka tokony ataon'ny tsirairay, mba hafana hatrany ny fifankatiavana. Matetika dia ireo lehilahy no tena mitaraina fa tsy mba mahita ny vadiny manjamanja mihitsy ao an-trano : rehefa hatory dia fehezina ao anaty sarindoha ny volo sady feno "masque" ny tarehy ka mampatahotra raha sendra mivadi-mandry tampoka amin'ny alina. Raha mijanona ao an-trano tontolo andro indray dia sady tsy misolo akanjo i madama no tsy mibango volo. Manginy fotsiny ny fofona mety havoakan'ny hoditra. Toa efa "mandrimandry" ny saina satria efa vita "soratra" sy "mariazy" ka ho aiza eo intsony moa ?
Tsara ny manamarika fa tsy ny vehivavy ihany no manao tandrevaka amin'ny endrika ivelany, fa misy ihany koa ireo lehilahy tsy mivaky loha mihitsy. Maro ireo sady tsy mamonjy toeram-pidiovana no tsy misolo akanjo rehefa mijanona ao an-trano.

Ezaka mahasoa

Fanajana ny tena sy ny hafa ny fahadiovana sy ny fikolokoloana ny vatana. Na lahy na vavy, tokony samy hahavaha-tena na ao an-trano aza. Ny mampalahelo mantsy dia maro mihitsy ireo tsy mikarakara vatana raha tsy hivoaka ny trano. Misy mihitsy aza ireo mpivady mifandinika toa samy gaga rehefa mamonjy fety iny, mifankahita samy manao metimety.
Amporisihana ny rehetra mba hanao fitafiana tsara sy madio, na dia mijanona ao an-trano aza. Tena ilaina ihany koa ny manadio sy mikarakara ny endrika. Tsara raha atao fahazarana mihitsy ny mibango volo, manasa sy mikarakara tarehy, miborosy nify ary midio tsara. Tokony tsy hisy fofona ratsy eny amin'ny vatana na ao an-trano na any ivelany. Tahafin'ny zanaka ny fahazarana manao metimety na ao an-trano aza, ka tsy ho sarotra amin'izy ireo ny mba hikarakara vatana ihany koa.

Tsy hikarakara volo sy tarehy àry ve ?

Maro ireo vehivavy mamaly fa ny mba hahatsara ny endrika no tena hanaovana sarindoha sy "masque" amin'ny alina. Tsy voatery atao mandritra ny alina manontolo nefa izany, satria manelingelina ny vady. Mety hanapaka ny "envie sexuelle" mihitsy ny fahitana ilay tarehy miova na ilay volo misarona be. Tsara raha mandamina fotoana hanaovana ireo karazana "soins". Azo atao ohatra ny manao "masque" mandritra ny 30 minitra mialoha ny hiakarana eo am-pandriana. Ny "plaquage"-n'ny volo indray dia vao mifoha maraina no atao, ka vahana rehefa hisakafo maraina. Mialoha ny hipetrahana hisakafo dia efa tokony samy efa avy nidio sy metimety avokoa ny rehetra. Marina fa marobe ireo "raharaha" manahirana ao an-tokantrano, saingy azo atao tsara ny mandamina fotoana.
Tsy azo adinoina ny mandamina sy manadio ny trano, mba ho samy hazoto hody sy hijanona ao an-trano avokoa na i dada, na i neny na ny zanaka. Samy mianatra ny tsirairay hamerina ny zavatra raisina amin'ny fitoerany. Tsara raha samy miandraikitra ny efitranony ny rehetra, ka milamina avokoa na ny taza-maso na ny any anatin'ireo fanaka fitehirizana entana isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires