• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Reflet
Image
Sexualité & Mariage

Ankizy sy adolantsento variana amin'ny finday avolenta : Mila arahi-maso tsara

06/01/2025 07:19 © Moov

Tsy voatery hahasoa avokoa ireo fitaovana entin'ny fandrosoana. Amin'ny ankapobeny, manimba ny ankizy, ny adolantsento sy ny tanora ny fampiasana finday, indrindra raha ifantohana loatra sy ifampitarihana amin'ny ratsy ilay fitaovana.

Raha ireo teraka talohan'ny taona 2000 no anontaniana, tsy mba nahazo izany finday izany raha tsy feno 18 taona na afaka bakalorea. Efa miova nefa ny vanim-potoana noho ny fandrosoana. Tsy maharitra ny dongidongin'ny ankizy ny ray aman-dreny ka manome finday na vao 10 taona aza ilay zaza.

Tsy natao ho an'ny ankizy sy ny adolantsento ny finday avolenta

Matetika dia menatra ny ankizy rehefa tsy manana finday avolenta satria toa manana avokoa ireo mpiara-mianatra sy mpiara-milalao aminy. Raha ny fifandraisana amin'ny ray aman-dreny no tena ilana finday, azo atao tsara ny manolotra finday tsotra indrindra, tsy hahafahana mikitika tambazotra sosialy na "jeux".
Maro dia maro ny voka-dratsin'ny fikirakirana finday na tablette, indrindra raha mbola latsaky ny 16 taona :
-Simba ny maso : Tsy manaja ny "distance" eo amin'ilay fitaovana sy ny maso ny ankizy. Reraka ihany koa ny maso satria manimba maso mihitsy ny hazavan'ny "écran". Mety hanao solomaso tsy fidiny ilay ankizy na adolantsento satria sady manenjika fianarana no mikirakira finday ;
-Mivokona ny taolana : 90%-n'ireo ankizy sy tanora milalao finday dia lasa mivokoka avokoa. Simba tanteraka ny "posture" satria miova mihitsy ny paozin'ny taolan-damosina hatrany amin'ny hatoka. Mety harary ilay ankizy rehefa ela ny ela, sady tsy hahay hipetraka sy hijoro mahitsy intsony ;
-Miharatsy ny fifandraisana : Marobe ireo ankizy sy tanora tsy manana namana mifandray mivantana intsony, fa namana "virtuel" sisa. Tsy dia mifandray firy amin'ny manodidina intsony satria mihevitra fa ao anatin'ilay finday no tena fiainana. Matetika aza dia tsy mihaino ny ray aman-dreny intsony fa ireo hafatra soratana amin'ny somaiso na MP sisa no jerena ;
-Tsy mifantoka : Mihena ny fifantohan'ny ankizy sy ny adolantsento tsy misaraka amin'ny finday. Na tokony hianatra sy hamita entimody aza izy dia maimaika fotsiny hikitika finday.
-Malainkomana na misakafo loatra : Koa satria mety sady milalao finday no mihinana, na maika hilalao finday dia mihinana haingana be, mety hihena na hahazo lanja ilay ankizy na adolantsento. Tsy ankafiziny sady tsy refesiny intsony ny fatran'ny sakafo haniny;
-Tsy ampy torimaso / Tsy mahita tory : Manana olana ampin'ny torimaso ny ankizy na adolantsento variana amin'ny finday. Misy ireo matory fotsiny any am-pianarana na lasa marary lava. Ilaozan'izy ireo mijery vidéo na mamaly MP na manao jeux mantsy amin'ny fotoana tokony hatoriana ;
-Fahakizintinana sy fandraisana fanapahan-kevitra tsy voahevitra : Lasa mamalivaly sy sahisahy ratsy ny ankizy sy adolantsento miankindoha amin'ny finday. Ady lehibe no mitranga rehefa asaina manao zavatra hafa izy na tazomina ny findainy noho ny sazy. Misy ireo mahavita mikasi-tanana ray aman-dreny na mandositra mihitsy raha vao misy manohitohina ny fampiasany finday. Mety ho tezitra sy hanaonao foana ihany koa ny ankizy rehefa tsy manana "crédit" ampidirina hidirana amin'ny tambazotra sosialy.
Raha efa eny an-tanan'ilay ankizy na adolantsento ny finday na tablette azy manokana dia tsy azo alaina intsony. Azo atao nefa ny mametraka "règlements" mba tsy hampivoana ilay zaza. Tsy azo atao mihitsy ohatra ny mamela ny ankizy hatory miaraka amin'ilay fitaovana : omena an'i dada sy neny ilay fitaovana manomboka amin'ny 7 ora hariva. Azo raràna ihany koa ny fampiasana finday eo am-pisakafoanana, na "goûter" aza no iaraha-mihinana ao an-trano.

Tsy tokony hampiasa tambazotra sosialy àry ve ny ankizy sy ny adolantsento ?

Mahavita zavatra tsy takatry ny saina ny ankizy sy ny adolantsento rehefa tafaraka. Tsy ampoizina ny resaka ifampiresahan'izy ireo, indrindra rehefa mampiasa tambazotra sosialy iny. Matetika dia ny fifampitarihana amin'ny ratsy no tena mibahana : fanandramana firaisana ara-nofo, fandraisana zava-mahadomelina, fivoahana alina, fivarotan-tena mba hahazoana zavatra, sns. Tena ilaina araka izany ny fanaraha-maso, ka tokony solosaina iraisana ao an-trano ihany no hanaovan'ny ankizy sy tanora "Facebook" sy tambazotra sosialy hafa raha tena mikiry hanao izany izy.
-Tsara raha fantatry ny ray aman-dreny avokoa ireo namana sy mpifandray amin'ny zanany amin'ny tambazotra sosialy. Tsy azo adino ihany koa ny fanamarinana ireo ranty avoakan'ireo ankizy sy adolantsento. Misy tokoa ireo adolantsento iharan'ny fanolanana na manao firaisana ara-nofo an-tsitrapo mihitsy, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreny raha tsy efa mitondra vohoka (na mahabevohoka zanak'olona) na avy nanala zaza mihitsy aza. Marobe mantsy ireo tranokala misy horonantsary vetaveta azon'ny rehetra jerena. Efa miha-maro ireo sahy miboridandridana sy mihantsy amin'ny Tik Tok na tambazotra hafa. Misy indray ireo tarihan'ny namana hingitrika ka ny sarampianarana no alentika, ary volana maromaro mihitsy izany vao fantatry ny ao an-trano.
-Tsara raha asiana fetran-taona na fepetra hafa izany fanaraha-maso hentitra izany. Mifanaraka ohatra ny ray aman-dreny sy ny zanaka fa halalaka kokoa rehefa afaka bakalorea na rehefa feno 17 na 18 taona.
Amporisihana ny fanaovana fialamboly iarahan'ny fianakavianakely ao an-trano, mba hiraiki-po amin'ny ray aman-dreny ny ankizy fa tsy hitady lalana hivoaka ny trano hatrany rehefa tsy mianatra. Azo atao fahazarana ohatra ny mivoaka ny renivohitra isaky ny sabotsy, ka rehefa any dia ampianarin'i dada sy neny zava-baovao hatrany : milomano, maka sary, manjono, sns. Azo atao ihany koa ny mijanona ao an-trano ka mikarakara sakafo miavaka na manao "bricolages" isan-karazany.
-Zarina handray andraikitra ny ankizy sy ny adolantsento. Raha efa manana efitrano ohatra dia mila mandamina fandriana isa-maraina, ary manao fandaminana lehibe isaky ny faran'ny herinandro. Tokony milamina tsara avokoa ny any anaty "armoire", sady mipetraka amin'ny toerany ny zavatra rehetra. Azo atao tsara ny mampanasa ny ankizy ny kirarony sy izay lamba madinidinika ohatra. Tsy zarina toloram-potsiny ny zanaka na dia manana fahafahana ara-bola matanjaka aza.
-Tena ilaina ny fifampiresahana sy ny fifandraisana akaiky amin'ny zanaka, mba tsy izay ambaran'ny hafa any ivelany no henoiny kokoa. Amporisihana manokana ny "éducation sexuelle" na ho an'ny lahy na ho an'ny vavy. Matetika mantsy dia heverin'ny ankizy sy adolantsento fa fitadiavana fahafinaretana fotsiny ny firaisana ara-nofo, nefa misy adidy lehibe aterak'izany. Tsy vitsy ireo ankizy voatery ampanambadiana aloha loatra ka simba tanteraka ny fianarana sy ny fiainana manontolo.

Ahoana kosa ny mikasika ny "jeux" ?

Tsy voatery ho liana amin'ny tambazotran-tserasera ny ankizy sy ny adolantsento mampiasa finday avolenta. Misy ireo tsy mila afa-tsy "jeux". Azo sorohina tsara nefa izany, arakaraka ny fitaizana atao amin'ilay ankizy. Tsy omena finday azy manokana izy, fa avela mampiasa ny an'i dada na i neny, mandritra ny fotoana voafetra : 15 na 30 minitra isan'andro ihany ohatra. Ferana ihany koa ny fijerevana fahitalavitra. Ny "écrans" mihitsy no tena ialàna, mba hiarovana ny mason'ny ankizy sy tsy hanelingelenana ny fiasan'ny atidohany.
-Amporisihana ny fanaovana ireo kilalaom-pianakaviana maro. Tsy "jeux" nilaozan'ny toetr'andro akory ny scrables, ny daomy, ny mots fléchés sy ny échecs. Mampitombo ny "intelligence"-n'ireo mpilalao mihitsy aza izany. Matetika ohatra dia mahay "mathématiques" be ny ankizy mahay "échecs".
-Ezahina fantarina ny "passion"-n'ilay zanaka mba tsy hampifantoka azy amin'ny écran. Azo atao ohatra ny mandefa azy mianatra mozika na manao fanatanjahan-tena. Amporisihana ihany koa ny zanaka hamaky boky, dia ilay boky taratasy mihitsy fa tsy ny "version numérique".
Tsy mora ny fitaizana ankizy, adolantsento sy tanora amin'izao vanim-potoana izao. Na miezaka manabe sy mananatra aza ny ray aman-dreny, manapoizina ny zanaka ny fiaraha-monina misy. Azo antoka fa tsy mitovy mihitsy nefa ny ankizy voaara-maso sy ampy fitiavana, sy ireo terena hianatra sy omena izay tiany fotsiny. Mahazo tombony ihany koa ireo zanaka tsy miankin-doha amin'ny fitaovana avolenta isan-karazany, nefa tsy tara amin'ny fampiasana teknolojia mahasoa amin'ny fianarana sy ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires