• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisineaz
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « pâté de poulet » vita ao an-trano

08/01/2025 16:50 © Moov.Mg

Karazana « charcuterie » afaka hoanina ao an-trano sy hanaovana fitadiavam-bola ny « pâté de poulet ». Mety tsara amin’ireo tsy mihinana kisoa izy ity ary tena matsiro tokoa. Araho eto ary ny fomba tsotra fanamboarana azy.

Ireo akora ilaina raha hanao « pâté de poulet »

-Akoho miaraka amin’ny atiny sy ny haranany 1 ;
-Menaka 3 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Persil ;
-Thym ;
-Voatabia 2 ;
-Tongolo 2 ;
-Tongolo gasy 5.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Tetehana, sasana ary avela hitsiaka tsara ny akoho. Endasina anaty vilany miaraka amin’ireo taovany.
Arotsaka ao ny tongolo notetehana manify, ny tongolo gasy voatoto, ny persil notetehana madinika, ny voatabia efa voavaofy, ny thym ary ny sira sy dipoavatra.
Avela hiketrika kely avy eo rarahana rano mandrakotra azy. Avela miketrika mandritra ny 20 hatramin’ny 25 minitra anaty « cocote minute ». Rehefa malemy tsara sy miendaka tanteraka ny taolana amin’ny akoho dia bataina.
Potehana miaraka anaty mixeur ny akoho miaraka amin’ny taovany sy ireo akora rehetra.
Alaina ny « moule à cake » avy eo rakofana papier aluminium ny ao anatiny. Arotsaka ao ilay fangaro nokarakaraina teo dia avy eo averina rakofana papier aluminium ny tampony. Atao anaty vata fampangatsiahana rehefa mangatsiaka tsara. Avela hipetraka ao mandritra ny ora maro. Rehefa vonona dia tetehana ary aroso.

Lire la suite

Articles Similaires