Fikolokoloana bika : safidiana tsara ny sakafo raha te hanala kibo
Rehefa voalohan’ny taona toy izao dia maro amintsika ny mametraka fanamby ho tanterahana mandritra ny taona. Anisan’izany ny fikolokoloana ny bika amin’ny alalan’ny fanenana vatana. Raha maniry hanala kibo ary dia ireto manaraka ireto ny santionany amin’ireo sakafo tsara fadiana mba hatongavana amin’izany.
Inona no antony mety mahabe kibo ?
Alohan’ny hiresahana ny mikasika ireo sakafo tsara fadiana raha te hanala kibo dia andeha aloha fantarina ireo antony mety mahabe kibo. Amin’ny ankapobeny dia ny fanangonan’ny vatana tavy eo amin’ny faritry ny kibo no mahangeza izany. Ny vatana tokoa mantsy dia manangona ireo tavy mihoatra entin’ny sakafo ao anatin’ireo sela manokana atao hoe « adipocytes ». Ny siramamy mihoatra ihany koa dia avadiky ny vatana ho lasa tavy avy eo tehiriziny ao amin’ireo sela voalaza ireo. Eo amin’ny vehivavy dia ny faritry ny valahana, fe, kibo sy fitombenana no tena hiangonan’ireo tavy. Eo amin’ny lehilahy kosa dia eo amin’ny kibo matetika no tena hitoeran’izany.
Ireo sakafo tsara fadiana raha te hanala kibo
Marihana fa afaka manala ny ampahan’ireo tavy miangona ireo amin’ny alalan’ny fampiasana vatana sy amin’ny fanamboarana ny fisakafoanana ihany ny vatana. Raha te hanala kibo dia misy ireo karazana sakafo mila fadiana na ferana tanteraka ka anisan’izany ny :
-Toaka. Ny aty no miandraikitra ny famadihana sy fisivanana ny toaka ao amin’ny vatana. Rehefa manatanteraka izany ny aty dia tsy mahavita manasivana ireo ambin’ny sakafo nohanina ka mahatonga ireto farany hiangona ao amin’ireo sela « adipocytes », indrindra ny eo amin’ny kibo. Ny labiera no tena mahabe kibo noho izy manankorontana ny bakteria tsara ao amin’ny tsinay ka lasa mampitombo ny tavy eo amin’ny kibo.
-Zava-pisotro be siramamy. Mampiakatra be ny tavy eo amin’ny kibo izy ireo satria ny siramamy betsaka ao anatin’ny dia hangonin’ny vatana, indrindra ny kibo, ho lasa tavy. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny « fructose » na ny siramamy natoraly entin’ny voankazo.
-Kiendiendy. Ireo sakafo sy nahandro nendasina tamin’ny menaka dia mitahiry ny atao hoe « mauvais gras » na hoe tavy ratsy. Sady tsy mahasalama ireto farany no sarotra levonina. Mazava ho azy fa misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiasan’ny tsinay izany ary mampizihitra ny kibo.
-Sakafo voaodina na « aliments transformés ». Ireo karazana sakafo ireo matetika dia be siramamy na be sira avokoa. Manankorontana ny fiasan’ireo taova fandevonan-kanina izy ireo ary mandrisika ny fanangonana ny tavy ao amin’ireo « adipocytes ». Ankoatra izay moa dia mampisy rivotra ao amin’ny kibo izy ireo ka lasa mampizihitra izany.