Fivoriana faha-2 Antenimierampirenena : Hibahan-toerana ny fandinihana ny tetibola 2027 sy ny famatsiam-bola ny fifidianana
Nosokafana androany 20 oktobra 2026, teny Tsimbazaza, ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena. Anisan’ny lahadinika lehibe, mandritra ity fotoam-pivoriana ity, ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2027 (PLFI 2027), izay hamaritra ny enti-manana hatokana ho an’ny fifidianana.
Fotoana handinihana ny PLFI 2027
Anisan’ny lohahevitra lehibe hodinihin’ireo solombavambahoaka, mandritra ity fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena ity, ny momba ny PLFI 2027. Io no hamaritra ny fandaniam-bolam-panjakana sy ny laharam-pahamehana hotanterahina amin’ny taona ho avy. Anisan’ny ho voafaritra ao anatin’izany ihany koa ny vola hatokana ho an’ny fifidianana, araka izay efa nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana.
Notarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, ny lanonam-panokafana. Nanatrika izany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarison Mamitiana, sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Notsindrian’i Siteny Randrianasoloniaiko fa fitaovana lehibe hanatanterahana ny politikam-panjakana sy hamahana ireo olana mianjady amin’ny firenena ny tetibolam-panjakana. Manan-danja lehibe, noho izany, ny fandinihana am-pahamatorana sy ny fanapahan-kevitra horaisin’ny solombavambahoaka, momba ity volavolan-dalàna ity.
Antso ho famahana ny olana ara-tsosialy
Ankoatra ny tetibola, hisy ihany koa ny volavolan-dalàna hafa hodinihina mandritra ity fotoam-pivoriana ity. Mety hisy ihany koa aza ny fiantsoana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta mba hifanatrika amin’ny solombavambahoaka. Nandritra ny lahateniny, niantso ny praiminisitra ny Filohan’ny Antenimierampirenena mba hanolo ireo tomponandraikitra heverina fa tsy mahomby amin’ny asany. Notsindriany ihany koa ny tokony handraisana fepetra, manoloana ny tsy fandriampahalemana sy ny lozam-pifamoivoizana, ary ny mba hanamafisana ny fanabeazana, ho fisorohana izany.
Anisan’ny olana nasongadiny, ankoatra izay, ny fahatapahan-jiro miverimberina. Nangatahiny ireo tomponandraikitra mahefa mba hanenjika ireo manimba ny orinasa JIRAMA sy manakorontana ny vahaolana efa napetraka. Etsy ankilany, naneho fankasitrahana ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, izay nahazoana vokatra azo tsapain-tanana izy.
Namaranany ny lahateniny ny fanentanana ireo solombavambahoaka mba hazoto hanatrika ny fivoriana sy handray anjara amin’ny asa rehetra manandrify azy ireo, izay hotanterahina rehetra eny Tsimbazaza.





