Ireo fahazarana ananan’ny olona mahay mitantana ny volany
Tsy voatery ny olona be karama na be fidiram-bola ihany no mahay mitantana ny volany. Matetika aza dia ny fahazarana tsara atao isan’andro sy ny fifehezana ny fandaniana no mahatonga olona iray hanana fitoniana ara-bola. Na kely na betsaka ny vola miditra, dia misy fahazarana mahomby iraisan’ireo olona mahavita mitahiry sy misoroka ny olana ara-bola.
Fantatr’izy ireo tsara ny fidiram-bolany sy ny fandaniany
Ny olona mahay mitantana vola dia mahalala tsara hoe ohatrinona ny vola miditra aminy ary aiza no andehanan’ny volany. Tsy voatery manao kajy sarotra izy ireo, fa farafaharatsiny manana teti-bola na lisitra manampy azy hanara-maso ny fandaniana.
Rehefa fantatra mazava ny fandaniana isam-bolana dia mora kokoa ny mamantatra ireo fandaniana azo ahena sy ireo tena ilaina. Izany ihany koa no manampy amin’ny fisorohana ny fandaniana tafahoatra izay mety hanimba ny toe-bola any aoriana.
Manana fahazarana mitahiry vola
Anisan’ny mampiavaka ny olona mahay mitantana ny volany ny fahaizany mitahiry tsy tapaka. Tsy voatery ho vola be no tahiriziny, fa manao ezaka hatrany izy ireny mametraka ampahany amin’ny vola azony.
Rehefa lasa fahazarana ny mitahiry vola dia miangona tsikelikely ny tahiry ary manome fiarovana raha misy zavatra tsy ampoizina mitranga. Ny zava-dehibe dia ny faharetana sy ny fitohizan’ny ezaka fa tsy ny habetsaky ny vola tahirizina.
Manana tahirim-bola vonjy maika
Mety hitranga tampoka ny aretina, ny fahasimban’ny fiara, ny fahaverezan’asa na olana hafa mitaky fandaniana tsy nomanina. Noho izany dia maro amin’ireo olona mahay mitantana ny volany no manokana tahiry vonjy maika.
Io tahiry io no manampy azy ireo hiatrika olana tsy ampoizina nefa tsy voatery hisambotra vola na hiditra trosa maika. Na dia tsy lehibe aza ny tahiry amin’ny voalohany, dia efa manampy betsaka amin’ny fanalefahana ny fahasahiranana ara-bola izany.
Tsy miandry vola ambiny vao mitahiry
Maro ny olona mieritreritra hoe rehefa mahazo vola bebe kokoa vao hanomboka hitahiry. Ny olona mahay mitantam-bola kosa nefa dia miezaka mitahiry aloha, avy eo vao mandany ny ambiny. Izany hoe, vao azo ohatra ny karama dia avy hatrany dia esorina amin’izany ny vola atao tahiry, ka ny ambiny no hampiasaina amin’ny fandaniana. Izany fomba fisainana izany dia manampy amin’ny fananganana fahazarana maharitra.
Mandinika alohan’ny hividy zavatra
Tsy voatery hoe tsy mividy zavatra mihitsy ny olona mahay mitantana ny volany. Fa rehefa hanao fandaniana lehibe kosa izy ireo dia maka fotoana tsara aloha handinihana. Anisan’ny fanontaniana apetrany amin’ny tenany ny hoe :
-Tena ilaina ve ity zavatra ity?
-Mety hisy safidy mora kokoa ve?
-Ho ampiasaiko maharitra ve izy?
Io fahazarana mandinika io dia manampy indrindra amin’ny fisorohana ny fividianana noho ny filan-dratsy na ny fientanentanana tampoka.
Mifehy ny trosa
Fantatry ny olona mahay mitantam-bola fa mora ny misambotra vola saingy mety ho sarotra kokoa ny mamerina izany. Noho izany dia miezaka misoroka trosa tsy ilaina izy ireo.
Raha manana trosa izy dia mazàna manao izay hahafahana mamerina izany ara-potoana ary manara-maso ny vola aloany. Izany dia manampy azy ireny tsy ho voan’ny zanabola be loatra na olana ara-bola maharitra.
Manana tanjona ara-bola mazava
Matetika ny olona mahay mitantana ny volany dia manana tanjona kendrena. Mety ho:
-fanorenana trano,
-fianaran’ny zanaka,
-fanombohana asa na tetikasa,
-fiomanana amin’ny fisotroan-dronono,
-na fananana tahiry ho an’ny ho avy.
Rehefa fantatra ny tanjona dia mora kokoa ny mandamina sy manapaka hevitra momba ny vola.
Tsy mitsahatra ny mianatra
Miova hatrany ny fiainana sy ny toe-karena. Noho izany, ny olona mahay mitantam-bola dia vonona hianatra fomba vaovao hanatsarana ny fitantanam-bolany. Mety izy hamaky lahatsoratra, hanaraka torohevitra avy amin’ny manampahaizana, na hianatra momba ny fitahirizam-bola sy ny fampiasam-bola. Tsy voatery ho manampahaizana amin’ny vola vao afaka mandray fanapahan-kevitra tsara. Ny fahavononana hianatra sy hahay handanjalanja no tena zava-dehibe.
Mamantatra sy manitsy ny hadisoany
Na ny olona mahay mitantam-bola aza dia mety hanao fahadisoana indraindray. Ny maha samy hafa azy amin’ny hafa dia ny fahafahany mandinika ny lesoka nataony sy manitsy izany haingana.
Raha hitany fa mihoatra ny tetibola ny fandaniana, dia miezaka manitsy izany izy amin’ny volana manaraka. Raha hitany fa tsy ampy ny tahiry dia mitady vahaolana hampitomboana izany.




