Ireo famantarana mampiseho fa efa ho simba ny batterie-n'ny fiara
Singa tena ilaina amin’ny fiara ny batterie satria izy no manome ny herinaratra ilaina amin’ny famelomana ny motera sy hamatsiana ireo fitaovana elektrika maro rehefa tsy mandeha ny motera. Rehefa mandeha ny fotoana dia mihena tsikelikely ny fahafahan'ny batterie mitahiry herinaratra. Noho izany, ilaina ny mahafantatra ireo famantarana mampiseho fa efa akaiky ho faty izy io mba hisorohana ny « panne » tampoka.
Famantarana fa akaiky ho simba ny batterie’ny fiara : sarotra velomina ny motera
Isan’ireo famantarana voalohany maneho fa efa malemy ny batterie ny fahasarotana mamelona ny fiara. Mety ho tsikaritra ho miadana kokoa noho ny mahazatra ny fihon’ny « démarreur », na ela vao mandeha ny motera. Matetika dia miseho kokoa izany rehefa mangatsiaka ny andro satria mety hampihena vetivety ny fahombiazan’ny batterie ny maripana ambany.
Mihamalefaka ny hazavan'ny jiro
Rehefa mihena ny tanjaky ny batterie dia mety tsy ampy intsony ny herinaratra omen'izy io. Vokatr'izany, mety ho hita fa malemy kokoa ny hazavan'ny jiro, indrindra rehefa mijanona ny motera na mandritra ny famelomana ny fiara. Indraindray dia mety hiovaova ihany koa ny tanjaky ny jiro rehefa mampiasa fitaovana elektrika maro miaraka.
Tsy mandeha tsara ireo fitaovana elektrika
Miankina betsaka amin'ny herinaratra ny fiara, indrindra ireo fiara taty aoriana. Ny batterie efa tonta na akaiky ho simba dia mety hahatonga olana amin’ireo fitaovana elektrika toy ny fitaratra elektrika, ny « autoradio » na « écran multimédia », ny « climatisation », ny « verrouillage centralisé », ny « essuie-glaces ». Na dia tsy voatery ho avy amin’ny batterie foana aza ireo olana ireo dia mety ho famantarany ihany izy ireny raha miaraka amin’ny tsy fahatomombanana hafa.
Mirehitra ny famantarana batterie eo amin'ny « tableau de bord »
Raha mirehitra ny sary famantarana « batterie » eo amin'ny « tableau de bord » dia mety misy olana amin'ny rafitra famahanana herinaratra na amin'ny batterie mihitsy. Mety avy amin'ny « alternateur » na singa elektrika hafa koa anefa izany, ka tsara ny manao fanaraha-maso haingana.
Mora lany herinaratra ny batterie
Raha matetika lany herinaratra ny batterie ao anatin'ny andro vitsivitsy tsy nampiasana ny fiara, na mila averimberina fahanana izy, dia mety efa antitra na efa simba. Ny batterie mbola mandeha tsara dia tokony hahavita hamelona ny fiara na dia nijanona andro maromaro tsy niasa aza.
Misy fofona hafahafa eo ambanin'ny « capot »
Ny fofona mitovitovy amin'ny atody lo na « soufre » eo amin'ny toerana misy ny batterie dia mety manondro olana ao anatin’ity farany. Mety ho vokatry ny famahanana be loatra (surcharge), fivoahan-javatra simika na fahasimban'ny batterie izany. Tsara ny manamarina azy haingana eny amin’ny mpanamboatra fiara mba hisorohana fahasimbana hafa.
Miova endrika na mibontsina ny batterie
Ny hafanana be, ny fahanteran'ny batterie na ny olana amin'ny rafitra famahanana dia mety hahatonga ny batterie hibontsina na hiova endrika. Raha misy triatra, ranoka mitete na fivontosana hita maso dia tokony hosoloina avy hatrany ilay batterie.
Efa antitra ny batterie
Amin'ny ankapobeny dia eo anelanelan'ny telo ka hatramin'ny dimy taona ny androm-piainan'ny batterie-n’ny fiara. Miankina amin'ny toetrandro, ny fomba fampiasana ny fiara ary ny fikojakojana anefa izany. Raha efa manakaiky na mihoatra io fe-potoana io ny batterie dia tsara ny manao fitsirihana na dia tsy mbola misy olana hita aza.
Ahoana no hisorohana ny fahasimban'ny batterie?
Ireto misy fahazarana tsotra afaka manampy mba hampateza ny batterie:
-Vonoy ny jiro sy ireo fitaovana elektrika alohan'ny hialana ao anaty fiara.
-Aza avela hijanona ela tsy ampiasaina ny fiara.
-Diovy sy jereo tsy tapaka ny « bornes » ny batterie.
-Ataovy jerena mandritra ny « entretien » ny rafitra famahanana herinaratra.
-Raha azo atao dia arovy amin'ny hafanana tafahoatra na hatsiaka be ny fiara.




