• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cnews
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fahazarana manafaingana ny fahanterana tsy fantatry ny lehilahy maro

14/09/2026 16:21 © Moov.Mg

Tsy avy amin’ny fandrosoan’ny taona ihany no mahatonga ny olona hihantitra. Ny fomba fiaina sy ny fahazarana isan’andro dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fitazonana na fanimbana ny fahatanorana sy ny fahazalaman’ny vatana. Ho an’ny lehilahy manokana moa dia misy ireo fahazarana andavanandro tsy tsikaritra akory nefa manafaingana ny fahanterana. Araho eto ny santionany amin’izy ireny.

Fahazarana manafaingana ny fahanterana : tsy fahampiana torimaso

Maro ny lehilahy manao tsirambina ny ora fatoriana noho ny asa, ny fialamboly na ny fijerena efijery amin’ny alina. Mandritra ny torimaso nefa no anamboaran’ny vatana ny sela simba sy hanerenany ny heriny.
Raha tsy ampy torimaso matetika ny olona dia mety hiseho haingana kokoa ny ketrona, hihena ny hery fiarovana ary ho reraka lava. Izany dia mety hanafaingana ny fahanteran’ny atidoha ary rehefa ela ny ela dia hampitombo ny « risques » hahavoan’ny aretin’ny fo sy ny lalandrà.

Fisotroana toaka matetika

Maro ireo lanonana sy fiarahana samihafa miaraka amin’ny havana, namana na mpiara-miasa mahatonga ny lehilahy hisotro toaka matetika. Na dia tsy misotro be loatra aza fa matetika dia efa mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny vatana sy ny fahasalamana izany.
Ny toaka dia mampihena ny rano ao amin’ny vatana, manimba ny kalitaon’ny torimaso, mamizaka ny aty ary manafaingana ny fahanteran’ny hoditra. Rehefa maharitra izany dia lasa vasoka ny hoditra ary miseho aloha be ireo mariky ny fahanterana.

Fifohana sigara matetika

Anisan’ny antony lehibe mahatonga ny fahanterana aloha loatra ny sigara. Ny akora misy poizina ao anatiny dia mampihena ny « oxygnène » tonga any amin’ny sela ary manimba ny « collagène » izay mitazona ny hoditra ho enjana sy malama.
Vokatr’izany dia miseho mora kokoa ny ketrona, indrindra manodidina ny molotra sy ny maso. Mampitombo ny « risques » hahazoana aretin’ny taovam-pisefoana sy aretim-po ary homamiadana sasany ihany koa ny fifohana sigara.

Fihinanana sakafo voahodina be loatra

Matetika ny lehilahy be atao no miantehitra amin’ny tsakitsaky indostrialy, sakafo voahodina sy zava-pisotro mamy satria tsy manam-potoana hinana sakafo ara-dalàna sy ara-pahasalamana.
Ireo sakafo ireo dia mampitombo ny « inflammation » miafina ao amin’ny vatana ary manimba tsikelikely ny proteinina manampy ny hoditra hijanona ho malefaka sy elastika. Mety hanafaingana ny fahanteran’ny hoditra ihany koa izany ary hampitombo ny mety hahazoana diabeta sy hatavezana tafahoatra.

Mipetraka ela loatra isan’andro

Asa birao, fandehanana lavitra amin’ny fiara na kodiaran-droa, fijanonana ela eo anoloan’ny efijery… maro ireo antony mahatonga ny lehilahy maro tsy hihetsika firy.
Ny tsy fahampian’ny fihetsiketsehana ara-batana nefa dia manafaingana ny fahaverezan’ny hozatra, mampitombo lanja ary mampihena ny herin’ny fo sy ny lalan-dra.

Tsy miraharaha ny adin-tsaina maharitra

Maro ny lehilahy no tsy mampiseho na tsy miresaka ny adin-tsainy. Rehefa maharitra anefa izany dia mitombo ny famokaran’ny vatana hormonina antsoina hoe « cortisol ». Raha avo lalandava io hormonina io dia mety hanafaingana ny fahanteran’ny sela, hampisondrotra tosidrà ary hiteraka havizanana sy olana amin’ny fitadidiana.

Lire la suite

Articles Similaires