Inona no mahatonga ny fiovan’ny fofon’ny vatana mandritra ny fitondrana vohoka?
Maro ny fiovana mitranga ao amin’ny vatana mandritra ny fitondrana vohoka. Mihalehibe ny kibo, miova ny nono, mety hiova ny endriky ny hoditra… Misy koa anefa ireo fiovana tsy dia hita maso, ary mety hahagaga, toy ny fiovan’ny fofon’ny vatana. Misy amin’ny bevohoka sasany no mahatsikaritra fa lasa tsemboka be kokoa, mihamahery ny fofon’ny vatana, na miova ny fofona avy amin’ny taovam-pananahana. Inona àry ny antony mety mahatonga izany fiovan’ny fofon’ny vatana eo amin’ny bevohoka izany ? Ary rahoviana no tokony hanahy ?
Fiovan’ny fofon’ny vatana mandritra ny fitondrana vohoka : avy amin’ny hormonina
Manomboka ny faha herinandro voalohan’ny fitondrana vohoka dia mitombo be ny tahan’ny hormonina sasany ao amin’ny vatan’ny vehivavy, indrindra ny « œstrogène » sy ny « progestérone ». Mety hisy fiantraikany amin’ny fihary (glandes) mamokatra hatsembohana sy ny famokarana menaka voajanahary (sébum) eo amin’ny hoditra izany.
Vokany, mety hitombo ny hatsembohana na hiova ny fofony. Ireo faritra amin’ny vatana izay mora tsemboka, toy ny helika, ny tongotra na ny elakelam-pe, no mety tena ho voakasik’izany fiovana izany.
Miova ihany koa ny hafanan’ny vatana sy ny fomba fiasan’ny metabolisma mandritra ny fitondrana vohoka. Noho izany, mety hahatsapa hafanana kokoa ny vehivavy bevohoka ary mora tsemboka kokoa, ka vao mainka ho tsikaritra ny fofon’ny vatana.
Mety ho lasa mora maheno fofona ihany koa ny orona
Tsy ny vatana ihany no miova mandritra ny fitondrana vohoka fa mety hiova ihany koa ny fahenoana fofona. Ny vehivavy sasany dia lasa tena mora maheno fofona, na avy amin’ny sakafo, na avy amin’ny ranomanitra, na avy amin’ny vatany mihitsy. Mety ho lasa heno be, na hahasorena mihitsy aza, ny fofona izay tsy dia tsikaritra taloha.
Matetika izany dia mitranga miaraka amin’ny maloiloy sy ny fandoavana, indrindra mandritra ny telo volana voalohan’ny fitondrana vohoka. Noho izany, tsy voatery fiovan’ny fofon’ny vatana ihany no antony, fa mety lasa « sensible » be amin’ny fofona ny bevohoka ka mahatonga azy hahatsapa hoe mahery na miova ny fofom-batany.
Inona no mety mampiova ny fofona amin’ny fivaviana?
Misy fiantraikany amin’ny tsiranoka sy ny mikraoba voajanahary ao amin’ny fivaviana ihany koa ny fiovan’ny hormonina mandritra ny fitondrana vohoka. Mety hitombo ny tsiranoka mivoaka amin’ny fivaviana. Matetika izy io dia mangarahara na fotsifotsy ary tsy tokony hanana fofona mahery na maimbo. Toe-javatra fahita amin’ny bevohoka moa io fitomboan’ny tsiranoka io ary matetika dia fiovana ara-dalàna.
Na izany aza, raha lasa maimbo na tena hafa noho ny mahazatra ny fofona, indrindra raha miaraka amin’ny mangidihidy, mavaivay, manaintaina na fiovan’ny lokon’ny tsiranoka, dia mety hisy aretina na otrikaretina. Amin’izay fotoana izay dia tsara ny manatona mpitsabo na mpampivelona mba hahafantarana ny antony sy hahazoana fitsaboana sahaza.
Mety hiova koa ve ny fofon’ny pipy?
Misy vehivavy bevohoka mahatsikaritra fa miova ny fofon’ny pipiny. Maro ny antony mety mahatonga izany, toy ny fiovan’ny hormonina, ny sakafo, ny fihinanana vitamina sy fanampin-tsakafo ho an’ny bevohoka, na ny tsy fisotroana rano ampy. Mety hanova ny fofona na ny lokon’ny pipy ihany koa ny vitamina sy mineraly ao anatin’ireo fanampin-tsakafo hoanina mandritra ny fitondrana vohoka.
Raha toa kosa ka miaraka amin’ny fanaintainana na mavaivay rehefa mipipy, fivalanana matetika, fanaintainana eo amin’ny kibo ambany na tazo ilay fofona tsy mahazatra, dia ilaina ny manatona mpitsabo. Tokony hotsaboina ara-potoana ny « infection urinaire » mandritra ny fitondrana vohoka.
Mila mampiasa « déodorant » na vokatra fanadiovana manokana ve?
Tsy voatery. Mba hampihenana ny fofon’ny vatana dia ampy amin’ny ankapobeny ny fahadiovana andavanandro: misasa amin’ny savony malefaka sy mety amin’ny hoditra, manamaina tsara ireo faritra mifampikasoka amin’ny hoditra, ary manao akanjo madio sy mamela rivotra hivezivezy.
Ho an’ny taovam-pananahana kosa dia fadiana ny fanasana lalina ny ao anaty fivaviana. Tsy ilaina ihany koa ny fiezahana hanafina fofona tsy mahazatra amin’ny alalan’ny vokatra misy hanitra satria mety vao maika hanakorontana ny fifandanjan’ny mikraoba ao amin’io faritra io izany. Raha miova tampoka na lasa tena mahery ny fofona, dia tsara kokoa ny mitady ny antony fa tsy manafina azy fotsiny.
Rahoviana no tokony manatona mpitsabo?
Matetika dia tsy mampanahy ny fiovana kely eo amin’ny fofon’ny vatana mandritra ny fitondrana vohoka. Saingy misy ihany ireo famantarana tokony hanaovana fizahana ara-pahasalamana, toy ny:
-fofona mahery, maimbo na tsy mahazatra avy amin’ny fivaviana;
-tsiranoka mivoaka amin’ny fivaviana miloko mavo, maitso na volondavenona;
-mangidihidy na mavaivay;
-fanaintainana eo amin’ny fivaviana na ny kibo ambany;
-mavaivay rehefa mipipy;
-tazo;
-fiovan’ny fofon’ny vatana miaraka amin’ny soritr’aretina hafa tsy mahazatra.
Raha misy mampanahy dia tsy tokony hisalasala miresaka amin’ny mpampivelona, mpitsabo na mpitsabo aretim-behivavy (gynécologue). Ny fizahana tsotra dia afaka manampy hamantarana raha fiovana ara-dalàna vokatry ny fitondrana vohoka ilay izy na olana mila fitsaboana.




