• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Reny&Zaza

Ireo fahadisoana tokony hialana rehefa mampisara-nono ny zaza

25/08/2026 12:36 © Moov.Mg

Dingana lehibe eo amin’ny fiainan’ny zaza sy ny reniny ny fampisaraha-nono. N’inon’inona antony : safidin’ny reny, ny asa, na antony ara-pahasalamana, dia tsara raha atao tsikelikely izany fa tsy tampoka. Mety ho sarotra amin’ny zaza ny fiovana tampoka, ary mety hiteraka fahasahiranana ho an’ny reny ihany koa. Ireto àry ny fahadisoana lehibe tokony hialana rehefa mampisara-nono ny zaza.

Sarahana nono tampoka ny zaza

Anisan’ny fahadisoana mahazatra ny fampisaraha-nono tampoka ny zaza. Tsy mety ny tonga dia tsy mampinono azy avy hatrany fa raha azo atao dia aleo hahena tsikekikely ny isan’ny fampinonoana. Izany moa dia manampy ny zaza hifanaraka amin’ny fiovana ary manome fotoana ny nonon’ny reny hampihena tsikelikely ny famokarana ronono.
Ny fampisaraha-nono tampoka tokoa mantsy dia mety hiteraka fivontosana sy fanaintainan’ny nono, indrindra raha mbola miakatra be ny rononon-dreny. Indraindray aza mety hiteraka « inflammation » mihintsy ny fiandronan’ny rononon-dreny be loatra ao amin’ny nono.

Manolo avy hatrany ny fampinonoan-dreny tsirairay amin’ny solon-dronono

Rehefa mampisara-nono ny zaza dia tsy voatery soloina solon-dronono na sakafo hafa avy hatrany ny fampinonoana nofoanana. Izany hoe raha toa ka tokony nampinono ohatra alohan’ny hatorian’ny zaza amin’ny alina dia tsy voatery homena « biberon » izy ho solon’izany, indrindra raha zaza efa misakafo tsara.
Alohan’ny hanovana tanteraka ny fomba famahanana ny zaza dia mila dinihana tsara ny filàna arakaraky ny taonany. Ho an’ny zaza latsaky ny herintaona dia mbola loharanon-tsakafo lehibe ho an’ny zaza ny rononon-dreny na ny solon-dronono.

Tsy miraharaha ny filàna ara-pihetseham-pon'ny zaza

Tsy sakafo ihany no omen’ny fampinonoan-dreny ny zaza. Mety ihany koa izy io fotoana ahazoana fampiononana, fifandraisana akaiky amin’ny reniny na koa fahatoniana. Mandritra ny fotoana fampisaraha-nono dia mety hitady ny sandrin-dreniny sy fifampikasohana bebe kokoa ny zaza.
Azo soloina tsikelikely amin’ny fihina, fitrotroana, fihainoana tantara, hira mampatory, tambitamby na fotoana milamina miaraka amin’ny reniny ireo fotoana fampinonoana izay nofoanana ireo.

Mampisara-nono amin’ny fotoana efa be fiovana

Ny fifindra-monina, ny fanombohana mandeha any amin’ny « crèche », ny dia lavitra na fiovana lehibe hafa dia mety efa mampisy rarintsaina sy hahatonga fahasiranana amin’ny « adaptation » ny zaza.
Raha azo atao, dia tsara ny tsy mampitambatra fiovana lehibe maro amin’ny fotoana iray. Mety ho mora kokoa amin’ny zaza ny fampisaraha-nono tsikelikely amin’ny fotoana milamina kokoa.

Manadino mikarakara ny nono

Mihena tsikelikely ny famokaran’ny vatan’ny reny ronono mandritra ny fampisaraha-nono. Raha sarahana nono tampoka nefa ny zaza dia meto ho feno ronono miangona ao amin’ny nono ary hanaintaina izany.
Raha mivonto na mizihitra ny nono, dia azo avoaka kely ny ronono mba hampihenana ny fanaintainana. Tsy voatery halana tanteraka nefa ny ronono ao anaty nono satria mety hampitombo ny famokarana ronono indray izany. Raha misy fanaintainana mafy, faritra mena sy mafana amin’ny nono, tazo na fahatsapana tsy fahasalamana, dia tsara ny manatona mpitsabo haingana.

Mihevitra fa tsy maintsy vetivety ny fampisaraha-nono

Tsy fifaninanana ny fampisaraha-nono. Misy reny mahavita izany ao anatin’ny herinandro vitsivitsy, fa misy kosa mila fotoana lava kokoa. Misy tokoa mantsy zaza manaiky mora foana ny solon-dronono, fa misy kosa mila fotoana vao zatra.
Tsy vahaolana ny fanerena ny zaza hisara-nono anaty fotoana fohy. Ho an’ireo tsy manaiky mora dia azo ahena tsikelikely ny isan’ny fampinonoana, ka hatomboka amin’ireo fampinonoana izay toa tsy ilain’ny zaza loatra no foanana. Ny fampinonoana maraina, hariva na ilay ampiasaina hampitoniana azy indraindray no mety ho sarotra esorina indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires