Mirango Zagnaharibe : Fomban-drazana Antenôsy fiantsoana Trozona
Misy fombafomba arahina ao Sainte-Marie, mialoha ny hisitrahan'ireo mpiala sasatra na mpizahatany dia an-dranomasina hijerena Baleines.
Mahatamana trozona ny fari-dranomasina atsinanan'i Madagasikara, noho ny hafanan'ny rano, indrindra rehefa vanim-potoan'ny ririnina. Izany indrindra no tena manintona mpizahantany, na ny avy eto an-toerana na avy any ivelany. Mifanojo amin'ny vakansy lehibe mantsy ny fandalovan'ireo Baleines ao Nosy Boraha. Amina hetsika lehibe, toy ny "Festival des Baleines" na "Festival Tsolabe", mamory olona marobe te hahita ireo trozona, tokony atao ny fomba antsoina hoe "Mirango Zagnaharibe".
Fomban-drazana Antenôsy
Amin’ireo mponina any Nosy Boraha, ny « baleine » dia Zagnaharibe, ka ireo tsara vintana sy hahazo fitahiana manokana ihany no mahita azy. Tsy ny olon-drehetra araha izany no mahita ny Baleines, na dia mandeha lavitra an-tsambo aza.
Ny "mirango Zagnaharibe" dia fiantsoana Trozona (Baleine), amin’ny alalan’ny karazam-bavaka atao an-kira, miampy fandoroana emboka manitra. Vondrom-behivavy mpandala fomban-drazana no manatanteraka ny "antsa". Misy olobe ihany koa, lehilahy, izay miroboka an-dranomasina ka manatanteraka vavaka. Maharitra ora maromaro izany, ka tsy mitsahatra raha tsy mandalo ny Zagnaharibe (baleine) iray.
Tamin'ny fanokafana ny Festival Tsolabe 2026, teny amin'ny torapasiky ny Ilôt Madame no nanatanterahina ny "mirango zagnaharibe". Adiny roa teo ho eo ny fiandrasana dia nipoitra soa aman-tsara ny Trozona iray. Amin'ny ankapobeny nefa, dia an-dranomasina 5 kilometatra farafahakeliny vao tokony mahita Baleine.
Antenôsy, foko ao Sainte-Marie
Anterina hatrany fa ny Antenôsy no monina ao Sainte-Marie, na dia tsy voafaritra ao anatin'ny lisitry ny foko 12 aza izany. Ireo Betsimisaraka no tena nanjaka tao an-toerana, saingy maro ny fiovana nisy rehefa nandroso ny taona. Mbola maro ireo fomba Betsimisaraka tazomin'ireo mponina ao Nosy Boraha, toy ny fagnokarana (famadihana). Misy kosa nefa ireo fomba mampiavaka ny Antenôsy, ka anisan'izany ny "mirango zagnaharibe". Misy finoana manokana mikasika ny Baleine mantsy ao Nosy Boraha, izay tsy iraisany amin'ny faritra atsinanana.




