• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nutri&Co
Image
Reny&Zaza

Ireo sakafo manampy amin’ny famerenana hery aorian’ny fiterahana

17/08/2026 11:06 © Moov.Mg

Fiandohan’ny dingana vaovao eo amin’ny fiainan’ny reny ny fiterahana. Ezaka lehibe ho an’ny vatana ihany koa nefa izany. Ny tsy fahampian-torimaso, ny fampinonoana, ny fiovan’ny hormonina ary ny fahasitranan’ny vatana dia mety hampihena be ny herin’ny vatana mandritra ireo herinandro voalohany. Ny sakafo voalanjalanja sy ampy otrikaina dia afaka manampy hamerina tsikelikely ny heriny. Ireto àry ny santionany amin’ireo sakafo tsara hoanin’ny reny mba hanohanana ny vatana mandritra ny fotoana fanarenana aorian’ny fiterahana.

Atody : sakafo manankarena proteinina

Ny atody dia anisan’ny sakafo mitondra proteinina ilain’ny vatana amin’ny fanarenana ireo sela sy hozatra aorian’ny fiterahana. Ahitana vitamina B12, « sélénium » ary « choline » ihany koa izy io. Azo hoanina amin’ny maraina, atao ao anaty salady, na ampiarahina amin’ny legioma. Safidy tsotra izy io ho an’ny reny mila sakafo mahavelona nefa tsy te handany fotoana be ao an-dakozia.

Voanemba sy ireo legioma misy voa

Ny voanemba, « pois chiches », tsaramaso ary ireo karazana legioma misy voa hafa dia manankarena proteinina avy amin’ny zavamaniry, fibra ary vy. Zava-dehibe ny vy aorian’ny fiterahana, indrindra raha be ny rà very nandritra ny fiterahana. Mba hanampiana ny vatana handray tsara kokoa ny vy avy amin’ireo sakafo ireo, dia tsara izy ireny raha ampiarahina amin’ny sakafo be vitamina C, toy ny « poivron », voatabia, voasary na « kiwi ».

Legioma maitso

Ny epinara, « brocoli », ravin-moringa ary ireo legioma maitso hafa dia sakafo tsara ho an’ny reny tera-bao. Ahitana « folate », vitamina C, « magnésium » ary fibra amin’ny tahany ambony izy ireny. Azo atao lasopy, endasina kely miaraka amin’ny sakafo hafa, na atao laoka araka izay itiavana azy izy ireo. Sady tsy dia lafo no mora ampidirina amin’ny sakafo andavanandro.

Voankazo

Ny voankazo dia manome angovo, rano, fibra ary vitamina maro ilain’ny vatana. Ny akondro, voasary, manga, papay na voankazo hafa dia azo atao « goûter » rehefa reraka ny reny na sahirana noho ny fikarakarana ny zaza. Tsy misy voankazo manokana hoe tsy maintsy hoanina satria be otrikaina noho ny hafa fa mety daholo. Ny tena zava-dehibe dia ny mihinana karazana voankazo samihafa mba hahazoana otrikaina maro.

Trondro

Ny trondro dia manome proteinina tsara kalitao ary misy amin’izy ireny no mitahiry oméga-3, indrindra fa ny DHA. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiasan’ny vatana moa ireo asidra matavy ireo. Mila safidiana tsara sy ampifandimbiasana kosa nefa ny karazana trondro. Ankoatra izay dia mila arahana ny torohevitra ara-pahasalamana momba ireo trondro mety ahitana merkiora betsaka, indrindra ho an’ny reny mampinono.

Tsy adinoina ny misotro rano

Tsy ny sakafo ihany no mety hisy fiantraikany amin’ny faharerahana eo amin’ny reny tera-bao. Ny tsy fahampian-drano ao amin’ny vatana ihany koa dia mety hampitombo ny fahatsapana reraka. Noho izany, ilaina ny misotro rano matetika mandritra ny tontolo andro. Tsy tokony ho latsaky ny 1,5 litatra isan’andro, ary mety hitombo ny filan’ny vatana rano ho an’ny reny mampinono.

Lire la suite

Articles Similaires