• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rtl Info
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Vinaigre de cidre » : ireo fampiasana azy ho an’ny fahasalamana voaporofo ara-tsiansa

17/08/2026 14:35 © Moov.Mg

Mbola tsy dia be mpampiasa eto amintsika ny « vinaigre de cidre » na vinaingitra paoma. Somary mahery fofona sy tsiro izay moa izy io ka tsy ny olona rehetra no tia azy. Mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana nefa ny « vinaigre de cidre » ary efa misy aza ireo fampiasana azy nahitana porofo ara-tsiansa. Araho eto ny santionany amin’izany.

« Vinaigre de cidre » : Mampihena ny fiakaran’ny siramamy ao amin’ny rà aorian’ny sakafo

Fikarohana ara-pitsaboana maromaro no nahita fa ny fihinanana « vinaigre de cidre » miaraka amin’ny sakafo dia mety hampihena ny fiakaran’ny tahan’ny siramamy sy ny « insuline » ao amin’ny rà aorian’ny sakafo. Ny « acide acétique », izay singa lehibe ao anatin’ity vinaingitra ity, dia mety hampiadana ny fivoahan’ny sakafo avy ao amin’ny vavony ary hanova ny fomba fandevonan’ny vatana sy fandraisany ireo « glucides ». Izany moa dia mety hahatonga ny « glucose » hiditra miandalana kokoa ao amin’ny rà.
Tsara homarihina: mety hanampy kely amin’ny fampihenana ny fiakaran’ny siramamy aorian’ny sakafo ny vinaingitra paoma, indrindra raha ampifandraisina amin’ny sakafo voalanjalanja. Tsy manolo ny fitsaboana diabeta na ny torohevitra omen’ny mpitsabo kosa anefa izy.

Mety hanampy amin’ny fanatsarana ny tahan’ny siramamy ao amin’ny rà amin’ny olona voan’ny diabeta

Araka ny fikarohana vitsivitsy nataon’ireo manam-pahaizana tamin’ny voan’ny diabeta karazany faha-2 dia hita fa nihena ny tahan’ny siramamy tao amin’ny ràn’ireo izay nihinana « vinaigre de cidre » rehefa tsy mbola nisakafo.
Marihana hatrany nefa fa na dia mety hanana vokatra kely mampidina siramamy ao amin’ny rà aza ny vinaingitra paoma dia tsy tokony hampiasaina izy io hanoloana na hanovana fanafody diabeta raha tsy misy torohevitra ara-pitsaboana.

Mety hampitombo ny fahatsapana fahavokisana ka hanampy amin’ny fifehezana ny lanja

Matetika dia lazaina hoe « mpandoro tavy » ny vinaingitra paoma. Tsy tena marina anefa izany filazana izany. Misy fikarohana mampiseho fa mety hampitombo vetivety ny fahatsapana ho voky ny fihinanana azy hany ka mampihena ny habetsahan’ny sakafo lany anatin’ny fotoana fohy. Mety hisy fiantraikany kely amin’ny fihenan’ny lanjan’ny vatana moa izany. Na izany aza nefa dia mbola tsy voamarina hoe afaka mampihena tavy tokoa na hoe mampihena ny « vinaigre de cidre ».

Ahoana no tokony hampiasana ny « vinaigre de cidre »?

Tsy ilaina ny misotro « vinaigre de cidre » amin’izao na hoe tsy mitapoka. Ny « acide » ao aminy aza dia mety hampisy « irritation » ny vava sy ny taova fandevonan-kanina ary mety hanimba tsikelikely ny fonon’nify izay miaro ny nify.
Miovaova arakaraka ny fikarohana ny fatra nampiasaina. Ny fikarohana sasany dia nampiasa vinaingitra paoma manodidina ny 15 hatramin’ny 30 ml isan’andro. Matetika izy io afangaro amin’ny rano, ampiarahana amin’ny sakafo na hoanina alohan’ny sakafo.
Ny olona mihinana fanafody misy fiantraikany amin’ny tahan’ny siramamy na potasioma ao amin’ny rà sy ireo manana areti-mitaiza sasant dia tokony hifampidinika amin’ny mpitsabo alohan’ny hinanana vinaingitra paoma tsy tapaka.

Lire la suite

Articles Similaires