• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tarika Loharano
Image
Vaovao

Lapan’ny Tanàna Analakely : Homena laka ny hiran’ny Ntaolo sy ny dihin’ny Ntaolo

18/08/2026 15:39 © Moov.Mg

Mila hampahafantarina sy hampiroboroboana ny hiran’ny Ntaolo sy ny dihin’ny Ntaolo, mba ho lovain’ny zanaka aman-jafy. Manoloana izany dia mikaraka hetsika ara-kolontsaina mifandraika amin’izany ny tarika Loharano sy ny vondron’olona mpitahiry ny kolontsaina nentin-drazana eto amin’ny Faritra Analamanga.

Famelomana indray ny fahendrena malagasy

« Fanandratana ny hiran’ny Ntaolo sy ny dihin’ny Ntaolo » no lohahevitr’ity hetsika ity, izay hotanterahina ny sabotsy 22 aogositra 2026, eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Tanjona ny hampahafantatra ny besinimaro fa misy, ary mbola misy miangaly azy, ireo karazan-kira sy dihy nentin-drazana, izay mitahiry haren-tsaina, kolontsaina ary hafatra samihafa.

Mifono fampianarana momba ny fanajana Ilay Nahary, ny ray aman-dreny sy ny zoky, ary ny fanajana ny marina, ny rariny sy ny hitsiny, ny hiran’ny Ntaolo. Anisan’ny hampiavaka izany koa ny fampiasana zavamaneno nentim-paharazana, toy ny valiha sy apongalahy. Tsy ambaka izany ny hevitra fonosin’ireo karazan-dihy tena malagasy, fanaon’ny Ntaolo fahiny. Izany indrindra no haseho ny besinimaro amin’io andron’ny sabotsy ho avy izao io.

Diabe sy vakodrazana

Hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro ny fotoana, eny Ambohijatovo, amin’ny alalan’ny diabe ara-kolontsaina, tarihin-javamaneno, ary hifarana eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Eo no hanatanterahana ny fampisehoana vakodrazana sy ny fampisehoana ireo hira sy dihin’ny Ntaolo, miaraka amin’ny tarika Loharano sy ny vondron’olona mpitahiry ny kolontsaina nentin-drazana eto amin’ny Faritra Analamanga. Maimaim-poana ny hetsika ary entanina hanao fitafy malagasy ireo ho avy hanotrona.

Tsara ny mahalala fa niorina tamin’ny taona 2013 ny Tarika Loharano, izay mivoy ny firaisankina ao anatin’ny fahasamihafan’ny Malagasy sy ny fanandratana ny maha-Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires