Reny sy zaza : ny tsara fantatra mikasika ny « incompatibilité rhésus »
Rehefa bevohoka ny vehivavy dia misy fitiliana rà atao mba hahafantarana ny vondron-drà sy ny «Rhésus » ananany. Zava-dehibe izany satria mety hisy tsy fitovian’ny « Rhésus » eo amin’ny reny sy ny zaza ka izay no atao hoe « incompatibilité rhésus ». Tsy midika ho aretina nefa izany ary tsy manakana ny vehivavy tsy hiteraka. Misy fomba tsotra ahafahana misoroka ny olana mety hitranga.
Inona no atao hoe « rhésus » ?
Ny « rhésus », izay soratana hoe Rh, dia toetra iray hita ao amin’ny rà. Misy olona mananana Rh positif (Rh+), ary misy kosa Rh négatif (Rh−). Noho izany, rehefa fantatra ny vondron-dran’ny olona iray, ohatra hoe A, B, AB na O, dia fantarina miaraka amin’izany koa raha Rh+ na Rh− izy.
Ny olona mety hitranga mandritra ny fitondrana vohoka dia rehefa Rh# ny reny ary Rh+ (nolovaina avy amin’ny rainy) ny zaza ao am-bohoka. Marihana moa fa tsy voatery hisy olana avy hatrany rehefa izany no mitranga.
Ahoana no isehoan’ny « incompatibilité rhésus » ?
Amin’ny ankapobeny dia misaraka ny ran’ny reny sy ny ran’ny zaza mandritra ny fitondrana vohoka. Saingy amin’ny toe-javatra sasany nefa dia mety hisy rà kely avy amin’ny zaza hiditra ao amin’ny ran’ny reny. Mety hitranga izany mandritra ny fiterahana, rehefa misy rà mandeha mandritra ny fitondrana vohoka, fahafahan-jaza, dona mafy amin’ny kibo, na amin’ny fitsaboana sasany.
Amin’io toe-javatra io, raha Rh− ny reny ary Rh+ ny zaza, dia mety hihevitra ny vatan’ny reny fa zavatra vahiny ireo sela mena an’ilay zaza ka hahatonga azy hamokatra hery fiarovana atao hoe « anti-D ». Izany no antsoina hoe « sensibilisation ».
Amin’ny fitondrana vohoka voalohany, matetika, dia tsy miteraka olana lehibe amin’ny zaza izany. Saingy raha efa namokatra ireo hery fiarovana ireo ny reny, dia mety hiampita amin’ny ahitra izany amin’ny fitondrana vohoka manaraka ka handrava ireo sela mena an’ny zaza Rh+.
Inona avy ireo loza mety hitranga amin’ny zaza?
Rehefa manimba ny sela mena an’ny zaza ny hery fiarovan’ny reny, dia mety hahatonga ny zaza ho tsy ampy rà (anémie). Raha mafy io tsy fahampian-drà io dia mety hiteraka fahasarotana isan-karazany izany.
Aorian’ny fahaterahana, ny fahapotehan’ny sela mena be loatra dia mety hahatonga ny hoditra sy mason’ny zaza ho mavo na ilay antsoina hoe « jaunisse » na « ictère ».
Amin’ny tranga tena mafy sy tsy voatsabo, dia mety hitarika amin’ny tsy fahampian-drà lehibe, fiakaran’ny « bilirubine » be loatra ary, amin’ny tranga tsy fahita firy, fahasimban’ny atidoha.
Soa ihany moa fa azo sorohina na ahena be ireo fahasarotana ireo amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ara-pitsaboana.
Ahoana no hahafantarana raha misy « incompatibilité rhésus »?
Azo fantarina amin’ny alalan’ny fitiliana rà tsotra ny vondron-dran’ny reny sy ny Rhésus-ny.
Raha Rh− ny vehivavy iray, dia mety hanaovana fitiliana koa izy mba hahitana raha efa misy hery fiarovana manohitra ireo sela mena, indrindra ny « anti-D », ao aminy.
Raha hita fa efa misy ireo hery fiarovana ireo, dia mety harahi-maso akaiky kokoa ny ny reny sy ny zaza mandritra ny fitondrana vohoka, mba hahafantarana raha misy fiantraikany amin’ny zaza izany.
Ahoana no hisorohana ny « incompatibilité rhésus »?
Ny fomba lehibe indrindra hisorohana izany dia ny fampidirana « immunoglobuline anti-D » amin’ireo vehivavy Rh− izay mbola tsy manana hery fiarovana anti-D.
Miankina amin’ny toe-javatra sy ny torohevitra ara-pitsaboana, dia mety hatao mandritra ny fitondrana vohoka izany tsindrona izany na aorian’ny fiterahana raha Rh+ ny zaza.
Mety ilaina ihany koa ny « immunoglobuline anti-D » rehefa misy toe-javatra mety hahatonga ny ran’ny zaza hiditra ao amin’ny ran’ny reny, toy ny fandehanan-drà mandritra ny vohoka, fahafahan-jaza, vohoka ivelan’ny tranonjaza, dona mafy amin’ny kibo na fitsaboana sasany.
Ny « immunoglobuline anti-D » dia manampy amin’ny fisorohana ny famokaran’ny vatana hery fiarovana manohitra ny Rhésus.
Manakana ny vehivavy tsy hiteraka ve ny « incompatibilité rhésus » ?
Tsia. Ny hoe Rh− dia tsy midika velively fa tsy afaka mitondra vohoka na miteraka ara-dalàna ny vehivavy. Noho ny fitiliana sy ny fisorohana misy ankehitriny, dia azo arahi-maso tsara ny fitondrana vohoka misy « incompatibilité rhésus ». Afaka miteraka ara-dalàna ihany koa ny vehivavy Rh−, na dia Rh+ aza vady.
Ny zava-dehibe dia ny fahafantarana ny vondron-dra sy ny « Rhésus » ary ny fampahafantarana izany amin’ny dokotera na mpampivelona manara-maso ny fitondrana vohoka.




