• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Literatiora : Hamoaka ny « Miaka-bolana », amboaran-tononkalony voalohany, i Faniry Hantarinivo

10/08/2026 15:17 © Moov.Mg

Hamoaka ny amboaran-tononkalony manokana voalohany i Faniry Hantarinivo, mpanoratra, amin’ny zoma 14 aogositra ho avy izao. Nisehatra teo amin’ny fanoratana efa ho 30 taona izy, ka ity boky ity no isan’ny entiny mankalaza izany taona maro nanomezany lanja ny teny malagasy izany.

Mpanoratra novolavolain’ny andrarezina

Nanomboka ny taona 1997 i Faniry Hantarinivo no nanoratra. « 13 taona aho tamin’izany, mbola niediredy fitiavana », hoy izy mitantara. Ao anatin’izany fankalazana ny faha-29 taona nanoratany izany, sady faha-27 taona nidirany tao anatin’ny Faribolana Sandratra, no hamoahany ny Miaka-bolana, izay amboaran-tononkalony voalohany. « Tamin’ny taona 2002 aho no niditra tao anatin’ny Faribolana Sandratra. Nikolokolo ny talentako tao ry Solofo José, Lydiary, Élie Rajaonarison, Ranoe, Ilay, sns. Nanam-bintana aho nifanerasera tamin’ireo andrarezin’ny Soratra malagasy », hoy ny fanazavany.

Ankoatra ny fanoratana dia mpisehatra tamin’ny fanaovana teatra ihany koa i Faniry Hantarinivo. Teo amin’ny faha-18 taonany dia efa mpandray anjara fototra tamin’ny teatra nalaza tamin’izany fotoana izany izy. Ankehitriny dia maherin’ny arivo isa ny tononkalo efa voasorany ary efa nanaovana asa fikarohana izany. Manoratra tantara an’onjampeo ihany koa izy, izay efa 69 no isany amin’izao fotoana izao. Ny sombin-tantara indray dia efa nahasoratra13 isa izy. « Nanomboka nanoratra tantara foronina (roman) ihany koa aho, izay hivoaka tsy ho ela. « Atakalo fahafahana » no lohateniny. Miresaka ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy izy io, satria isan’ny iseharako ihany koa izany, ka tiako afangaro amin’ny talentako », hoy ny fanazavany.

Tononkalo amin’ny teny malagasy sy frantsay

Ny zoma 14 aogositra 2026, manomboka amin’ny 2 ora sy 30 mn tolakandro, no havoaka amin’ny fomba ôfisialy, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny amboaran-tononkalo Miaka-bolana. Takila 107 isa no mandrafitra azy ary ahitana tononkalo manodidina ny 100 isa, amin’ny teny frantsay sy amin’ny teny malagasy. « Nadika amin’ny teny frantsay ny tononkalo sasany, satria nofinofy ny hoe : mba hipariaka manerana izao tontolo izao ny asa soratry ny tena sy ny kanto malagasy. Izaho rahateo miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena », hoy ny fanazavan’i Faniry Hantarinivo. Miisa 23 ireo tononkalo nadika ireo. Ny ambiny kosa dia niniana najanona tamin’ny teny malagasy, « satria tsy voadika amin’ny teny frantsay ny aina entin’ny teny malagasy sasany, ka sao lasa dika vilana raha tsy mitandrina », hoy ny mpanoratra. Adrienne Irma Rabemanantsoa sy i Faniry Hantarinivo moa no nandika ireo tononkalo amin’ny teny frantsay.

Fiainana sy fitiavana. Ireo, raha fehezina, ny lohahevitra voizina ao anatin’ny amboaran-tononkalo Miaka-bolana. Mizara telo ny boky, araka ny fanazavan’ny mpanoratra. Ny fizarana voalohany dia mitondra ny lohahevitra hoe : « Fitia ho andrỳ », izany hoe : fitia ho an’ny tenan’ilay olona mpamaky, ny mpanoratra, na ilay heveriny ho sila-panahiny. Ao anatin’izany no iresahana ny fitsimoky ny fitia, ny sedra izay lalovana, saingy tsy ao anaty famendrofendroana, fa amin’ny fomba fijery hafa. Ny fizarana faharoa dia miresaka ny Reny sy ny tontolony. Misy tononkalo maromaro ao, mitantara ny fifankatiavan’ny reny sy ny zanaka, ny fifankatiavan’ny ankohonana, ny anjara asan’ny ray ao anatin’ny ankohonana... Ny fizarana fahatelo farany dia miresaka ny fitiavana ny teny sy ny tany, ka ny fomba anehoan’ny mpanoratra ny fitiavana an’i Madagasikara sy ny teny malagasy no avoitra ao anatin’io fizarana io.

Eny amin’ny tranombokim-pirenena Anosy no hahafahana manjifa ny Miaka-bolana, amin’ny zoma ho avy izao. Aorian’izay dia hisy ny trano fanotam-boky eto an-toerana sy any Frantsa hisahana ny fanapariahana ity amboaran-tononkalo ity.

Lire la suite

Articles Similaires