• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Famatsiana an’i Toamasina : 15 km sisa ny zotra mpitondra herinaratra avy ao amin’i Volobe I mila harenina

06/08/2026 14:15 © Moov

Miasa andro aman'alina ny JIRAMA, hamerina amin’ny laoniny ny herinaratra ao Toamasina, raha ny fanambarana. Isan’izany asa ataon’izy ireo izany ny fanarenana ny zotra mitondra herinaratra mavesatra (Moyenne tension) avy ao amin'ny tobim-pamokarana Volobe I mankany Toamasina, izay simba vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani.

20 andro hamitana ny asa sisa

Efa 15 km amin'ilay zotra sisa no mbola harenina, ary vinavinaina ho vita tanteraka ao anatin'ny 20 andro, hoy ny teknisianina avy amin’ny JIRAMA. Tanjona ny hampiverina amin'ny laoniny ny famokarana herinaratra avy amin'ny Volobe I, izay hanampy amin'ny fampihenana ny fahatapahan-jiro ao Toamasina.
Taorian'ny fahasimban'ny fotodrafitrasa nateraky ny rivodoza Gezani mantsy dia mbola mitohy tsy an-kijanona ny asa fanarenana ny tambajotran-jiro mamatsy an'i Toamasina. Mba hanafainganana ny asa dia nampiana teknisiana avy aty Antananarivo ireo ekipa eny an-toerana. Tarihin'ny Tale Jeneraly Lefitra misahana ny Famokarana Herinaratra, Manda Ny Aina Nomena, izy ireo, ka miasa andro sy alina mba hahafahana mamita ny fanarenana ao anatin'ny 20 andro araka ny vinavina.

Volobe I, vahaolana lehiben’ny delestazy

Manana tanjaka afaka mamokatra 6,7 MW io tobim-pamokarana herinaratra Volobe I io. Anisan'ireo loharanon-jiro lehibe mamatsy ny tambajotran'i Toamasina izy, indrindra mandritra ny vanim-potoana tsy maha-ampy ny famokarana. Hatramin'ny nandravan'ny rivodoza Gezani io toby io dia voatery niankina bebe kokoa tamin'ireo tobim-pamokarana hafa ny tambajotra, ka niteraka fahatapahan-jiro miverimberina tao Toamasina sy ny manodidina.
Araka ny fanazavan'ny JIRAMA, ny fahavitan'ny fanarenana ireo 15 km sisa dia hahafahana mampiverina amin'ny tambajotr, ny herinaratra vokarin'i Volobe I. Izany dia antenaina hanatsara ny famatsiana herinaratra sy hampihena tsikelikely ny delestazy izay mbola iainan'ny mponina sy ny sehatra ara-toekarena ao amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana.

Lire la suite

Articles Similaires