Tarika 'Zay 30 taona : Hanolotra seho feno fihetseham-po sy fahatsiarovana
Na dia eo aza ny fahabangana tsapan'ny tarika 'Zay, noho ny nahalasanan'i Nary, dia nosafidian'nireo mpikambana sisa tavela ny hanohy hatrany ny dia. Hanokatra ny fankalazana ny faha-30 taonany ny tarika, amin'ny alahady ho avy izao, amin'ny alalan'ny fampisehoana hihaonana indray amin'ireo mpankafy.
Eny amin'ny lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina no hanatanterahan'ny tarika 'Zay ny fampisehoana fanokafana ny tsingerintaona faha-30 niforonany, amin'ny alahady 26 jona 2026. "Hihaona indray" no lohahevitra itondran'ny tarika ny fampisehoana ary hasehon'izy ireo amin'ny alalan'ny "fihetseham-po sy fahatsiarovana" (emotion et nostalgie) izany, araka ny fanazavan'i Malala.
30 taona, tsy mbola niova ary tsy hiova
Nandalo lalana maro tokoa ny tarika 'Zay, tao anatin'izay 30 taona izay. Mamy indrindra tamin'izany ireo fihaonana rehetra tamin'ireo mpankafy. Misy amin'izy ireny mihitsy no lasa namana akaiky, araka ny fanazavan'ny tarika.
Mafy indrindra kosa ny fodiamandrin'i Nary, izay nosoritan'i Malala ho lohan'ny tarika sy fototra niaingana mihitsy. Na izany aza, maty namela mamy izy, satria namolavola ny tarika hijoro amin'ny maha-izy azy sy haharitra ao anatin'ny mozika, nandritra ny 25 taona. "Voampitany ny nokasainy ho an'ny tarika", hoy i Malala. Noho izany indrindra dia nanome toky ity farany : "Tsy misy fiovana ary tsy hisy fiovana ny "style" an’ny tarika 'Zay. Izay no velirano omena ny mpankafy", hoy izy.
Nary, maty namela mamy
An-jatony ny hiran'ny tarika 'Zay, ka tsy ary ho vita an-tsehatra daholo amin'io andron'ny alahady io. "Mbola maro no napetrak’i Nary ao, misy feon-kira ary misy tononkira. Misy ireo efa niarahana namolavola taminy. Eo ihany koa anefa ireo noforonina taty aoriana, satria manan-talenta amin'izany ireo mpikambana sasany ao amin’ny tarika ankehitriny", raha ny fanazavan'i Malala. Noho izany notsongaina ireo be mpankafy indrindra (best of), ho entina ao amin'ny lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena.
Miisa enina moa ireo mpikambana ankehitriny, ka ny telo dia efa teo, hatramin'ny niforonan'ny tarika 'Zay : Malala, Haingo ary Mamy. Isan'ireo mpikambana niditra taty aoriana kosa i Tovo, Miora ary Harty. Nisy tamin'ireo mpikambana moa no efa lasa any amin'ny varo-tsy mifody, ankoatra an'i Nary dia efa lasana ihany koa i Nantenaina sy i Mika. Miisa fito kosa ny raki-peo efa navoakan'ny tarika, hatramin'ny taona 1996 no mankaty.
Fankalazana haharitra herintaona
Raha ny marina dia efa lany avokoa ny tapakila fidirana amin'ity fampisehoana fanokafana ny faha-30 taonan'ny tarika 'Zay ity. Noho ny fangatahan'ireo mpankafy maro anefa dia noforonina ny atao hoe : "Pass Hihaona Indray", mba hahafahana mandray mpijery fanampiny. Hivoaka rahampitso, eny amin’ny Super Music Analakely ny tapakila mahakasika izany.
Hanomboka amin'ny 3 ora sy sasany tolakandro ny fampisehoana, izay karakarain'ny SR Event. Amin'ny folo ora maraina kosa dia efa hisokatra ny vavahady. Hizara 3 ny fampisehoana, amin'ny ankapobeny, ary ho feno "surprises", araka ny fanazavana. Haharitra herintaona ity fankalazana tsingerintaona ity




