Fitrandrahana tsy ara-dalàna : Nogiazana ireo fitaovana tratra tany Brickaville sy Maevatanana
Manamafy ny ady amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany. Tamin’ny fidinana ifotony natao omaly 19 Jolay, tany amin’ny faritra Atsinanana sy Betsiboka, dia nogiazana fitaovam-pitrandrahana no nogiazana ary olona voarohirohy no nosamborina, araka ny lalàna manan-kery.
Fidinana tampoka tany Brickaville
Nidina ifotony tao amin’ny kaominina ambanivohitra Fetraomby, distrikan’i Brickaville, ny ekipan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany, niaraka tamin’ny Fitaleavam-paritra Atsinanana sy ny Unité de la Police des Mines Toamasina. Fitaovanai ray antsoina hoe : « drague », izay nampiasaina hitrandrahana volamena tao amin’ny reniranon’i Rianila, fokontany Ambodizarona, no nogiazana, satria tsy nahazo alalana avy amin’ny ministera.
Nandritra io hetsika io dia tera-tany vahiny iray no tratra tao an-toerana. Nambaran’ny ministera fa handraisana fepetra mifanaraka amin’ny lalàna velona eto Madagasikara izy. Nanatrika ny fanatanterahana ity hetsika ity ireo tomponandraiki-panjakana eny ifotony, anisan’izany ny Ben’ny tanàna.
Olona telo notazonina tao Maevatanana
Nitovy tamin’izany ihany koa ny hetsika natao tao amin’ny fokontany Marotaolana, kaominina Antsiafabositra, Distrikan’i Maevatanana. Niara-niasa tamin’ny Unité de la Police des Mines Maevatanana ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany ao Betsiboka, ka nogiazana, nandritra izany, ireo fitaovam-pitrandrahana volamena tsy ara-dalàna nampiasaina.
Tera-tany vahiny telo no nosamborina, nandritra ity fidinana tampoka ity, ary tazonina vonjimaika ao amin’ny Brigade territoriale de la Gendarmerie Maevatanana, miandry ny fanadihadiana. Nambaran’ny ministera fa mbola misy olona hafa ahiahiana ho tafiditra amin’ity raharaha ity, ka mbola karohina.
Tsy handefitra amin’ny fandikan-dalàna
Namafisin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany fa mitohy ny ezaka hampanarahan-dalàna ny sehatry ny fitrandrahana. Nampitandrina ireo mpisehatra rehetra ny ministera, fa izay fitaovana ampiasaina tsy ara-dalàna dia hogiazana avy hatrany.
Etsy ankilany, nanambara ny ministera fa misokatra hatrany amin’ny fifampiresahana, ary afaka manamora ny fampanarahan-dalàna, ho an’ireo vonona ny amin’izany. Ho an’ireo minia mandika ny fepetra napetraka kosa, dia nambaran’ny tomponandraikitra fa tsy hisy fandeferana ary hitohy ny fanagiazana fitaovana sy ny fisamborana ireo voarohirohy.




