Faha-66 taona niverenan'ny Fahaleovantena : Firenena maro nanolotra firarian-tsoa ho an’i Madagasikara
Ankalazaina androany 26 jona 2026 ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Amin'izao fotoana manan-tantara izao dia firenena maro maneran-tany no nandefa hafatra fiarahabana sy firariantsoa ho an’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy, ho fanehoana ny maha-zava-dehibe ny fifandraisana ara-diplomatika sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena.
Nifandimby tonga ireo hafatra fiarahabana avy amin’ireo mpitondra firenena vahiny, amin'ity andron'ny 26 jona 2026 ity, izay anamarihana ny fetim-pirenena Malagasy.
Fiaraha-miasa sy fifandraisana ara-diplomatika
Araka ny fampitam-baovaon'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara dia anisan’ireo nandefa hafatra ny Filohan’i Etazonia, Donald J. Trump, izay naneho ny firaisankinan’ny vahoaka amerikanina amin’ny vahoaka malagasy. Nandefa hafatra fiarahabana ihany koa ny Filohan’ny Federasionina Rosianina, Vladimir Poutine, izay nirary fahombiazana sy fanambinana ho an’ny vahoaka Malagasy. Nasongadiny ny faniriana hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy i Afrika, indrindra amin’ny sehatra samihafa, ho tombontsoan’ny roa tonta.
Naneho ny firariantsoany ho an’i Madagasikara ihany koa ny Filohan’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina, Xi Jinping. Nambarany ny faniriana hahafahan’i Madagasikara manohy ireo ezaka amin’ny fampandrosoana sy ny fanavaozana ny firenena. Notsiahiviny ny fifandraisana ara-pirahalahiana misy eo amin’i Sina sy i Madagasikara, izay mifototra amin’ny fifanohanana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo laharam-pahamehana maro iarahana miatrika. Anisan’ireo nandefa hafatra ho an’i Madagasikara koa ny Filohan’ny Vondron’ny Nosy Kaomaoro, Azali Assoumani, sady tonga eto Madagasikara, hanatrika ny matso lehibe eny Mahamasina ; ary koa ny Filohan’i Tchad, Mahamat Idriss Déby.
Faniriana soa ho an'i Madagasikara
Ankoatra ireo dia nandefa fiarahabana ihany koa ny Mpanjakan’i Royaume-Uni sy Irlande du Nord, Charles III, ny Mpanjaka Willem-Alexander ao Pays-Bas, ny Mpanjaka Philippe ao Belzika ary ny Mpanjaka Mohammed VI ao Maraoka. Samy naneho ny faniriana hahita an’i Madagasikara hiaina ao anatin’ny fiadanana sy fanambinana izy ireo.
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ireo fiarahabana avy amin’ireo firenena vahiny ireo dia maneho ny toerana misy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ahitana taratra ny fiaraha-miasa maro misokatra amin’ny fampandrosoana iombonana ihany koa izany, ary manamafy ny fifandraisana ara-diplomatika sy ara-pirahalahiana mampifandray an’i Madagasikara amin’ireo firenena mpiara-miombon’antoka aminy.




