Ranty Vokatra : Manome sehatra sy tohana ho an’ireo tantsaha, izay mpandraharaha eny ifotony
Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy androany 24 jona 2026, teny amin’ny kaominina ambanivohitra Anjeva Gara, ny andiany fahenina amin’ny Ranty Vokatra, karakarain’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Antananarivo (CCIA). Mihoatra noho ny fampirantiana tsotra ny hetsika, satria manasongadina ny anjara toeran’ny tantsaha amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fiantohana ny sakafo ho an’ny mponina.
Mazàna no heverina ho mpamokatra eny ambanivohitra fotsiny ny tantsaha, saingy araka ny hafatra naverimberin’ireo tompon’andraikitra nandritra ny fanokafana ny Ranty Vokatra, dia mpandraharaha ara-toekarena ihany koa izy ireo. Mampiasa vola, mandany fotoana, maka risika ary mivarotra vokatra eny an-tsena ny tantsaha, ka manana anjara toerana lehibe amin’ny fivezivezen’ny toekarena.
Tranoheva miisa 85 no mandray anjara amin’ity andiany fahenina amin’ny Ranty Vokatra ity. Maharitra efatra andro ny hetsika, ka ny 24 sy 25 jona dia iarahan’ny CCIA sy ny kaominina Anjeva Gara mikarakara azy, raha miompana betsaka amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena kosa ny 26 sy 27 jona. Isan’ny manohana ny hetsika ny Yas Madagascar, izay mampiranty ireo vokatra Yas sy Mbalika izay be mpitady amin’ny hetsika ara-barotra toy izao.
Tantsaha, mpandraharaha eny ifotony
Araka ny fanazavan’i Hery Nirina Andrianaivo, tale jeneralin’ny CCIA, dia natao indrindra hampahafantarana ireo harena sy ny fahaiza-mamokatra eny anivon’ireo distrika ao antin’ny Faritra Analamanga ny Ranty Vokatra. Nomarihiny fa matetika dia voatery mandeha any Antananarivo ireo mpamokatra, rehefa misy hetsika ara-barotra, nefa mitaky vola sy fandaniana maro izany. Ny Ranty Vokatra kosa no mampanatona ny mpividy sy ny mpanjifa any amin’ny toerana famokarana en hy ifotony. Amin’izay fotoana izay dia afaka mampiseho mivantana ny vokatra vokariny ny kaoperativa sy ny vondron-tantsaha, ary afaka mifandray amin’ireo mety ho mpividy sy mpiara-miombona antoka ara-barotra.
Ho an’ny CCIA dia endrika fanohanana ny sehatra tsy miankina ihany koa izany, satria isan’ny mpandraharaha ny tantsaha. « Tsy mamokatra fotsiny ny tantsaha fa mpandray anjara amin’ny rojom-pihariana iray manontolo, manomboka amin’ny famokarana ka hatramin’ny varotra sy ny fanodinana », hoy ny tale jeneralin’ny CCIA.
Anjeva Gara, kaominina mahavokatra
Tsy kisendrasendra ny nisafidianana ny kaominina Anjeva Gara handray ny hetsika, fa araka ny nambaran’ny solontenan’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, Rakotoarijaona Narindra Tena, dia isan’ireo kaominina tena mamokatra legioma ity toerana ity. Mahatratra 12 taonina isan’andro ny vokatra mivoaka, rehefa ao anatin’ny vanim-potoana famokarana, hoy izy. Noho izany dia mifanaraka amin’ny tanjon’ny Fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra sy ny fanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ny hetsika Ranty Vokatra. Namafisin’ny solon-tenan’ny ministera ihany koa fa zava-dehibe ny fampifandraisana ny mpamokatra sy ireo mpisehatra ara-toekarena hafa, satria manampy amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra sy ny fisarihana tetikasa ary fampiasam-bola vaovao any amin’ny kaominina izany.
Etsy an-daniny, ny lefitry ny lehiben’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano dia nanambara fa ny tantsaha no tena mamatsy ny tsena anatiny sy miantoka ny filàn’ny mponina andavananandro. Noho izany dia mitana toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena izy ireo. Araka ny fanazavany dia manampy ny mpamokatra hahita lalam-barotra vaovao ny hetsika toy ny Ranty Vokatra. Mampiseho ihany koa izany fa misy ny fanatsarana ny teknikam-pambolena sy ny finiavana hanatsara hatrany ny kalitaon’ny vokatra.
Fankalazana ny fetim-pirenena
Ho an’ny solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo Avaradrano, Andriamosa Avotra kosa, dia anisan’ny olana mbola sedrain’i Madagasikara ny lafiny fiahiana ara-tsakafo. Izany indrindra no mahatonga ny fanohanana ny tantsaha sy ny famokarana ho laharam-pahamehana. Nambarany fa manome lanja ny mpamokatra, ny mpanangom-bokatra ary ny mpivid,y ny fampirantiana toy izao, sady mampiseho ny vokatry ny tany malagasy. Nambaran’ny ben’ny tanànan’Anjeva Gara, Raoeliarison Haja moa, fa hisy famelabelaran-kevitra ho an’ireo tantsaha sy kaoperativa, rahampitso 25 jona, hiarahana amin’ny CCIA, izay hanomezana torohevitra sy fanohanana.
Ankoatra ny lafiny ara-toekarena dia mifandray amin’ny fankalazana ny faha-66 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ihany koa ny hetsika Ranty Vokatra. Hisy noho izany, ny seho ara-kolontsaina sy ara-javakanto mandritra ny efatra andro. Eo ny hiragasy miaraka amin’ny tarika Sahavato Be, ny fampisehoan’i Wada sy Yoongs, ny « podium » hiarahana amin’i Kougar, ADR ary Jess Flavi One, ny sehon’ny Mage 4 ary afomanga no hamarana azy.




