• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mediqualité
Image
Reny&Zaza

Nahoana ny bevohoka sasany no mahatsapa toy ny voan’ny sery sy jenjina foana ?

16/06/2026 14:46 © Moov.Mg

Maro ny vehivavy mahatsikaritra fa rehefa bevohoka izy ireo dia jenjina matetika ny orony, na toa voan’ny sery foana. Mety mahagaga ihany izany, indrindra raha tsy misy tazo na soritr’aretina hafa mety manambara aretina. Mahazana dia tsy tena sery no mahatonga izany fa fiovana ara-dalàna vokatry ny fitondrana vohoka. Araho eto ny andinindininy tsara fantatra.

Ny “rhinite de grossesse” na fahatsentsenan’ny orona vokatry ny fitondrana vohoka

Ny « rhinite de grossesse » no antony mahazatra indrindra mahatonga ny bevohoka sasany jenjina foana ny orony na toa voan’ny sery matetika. Izy io dia fahatsentsenan’ny orona mifandray amin’ny fitondrana vohoka. Maro ny vehivavy tratran’izy io, indrindra manomboka amin’ny telovolana faharoa. Mety hiseho amin’ny fotoana rehetra mandritra ny vohoka ihany koa nefa ny « rhinite de grossesse ».
Mandritra ny fitondrana vohoka tokoa mantsy dia mitombo ny hormonina toy ny « œstrogène » sy ny « progestérone » vokarin’ny vatana. Ireo hormonina ireo dia mampivelatra ny lalan-drà ao amin’ny fonon’ny orona, ka mahatonga azy hivonto sy hamokatra tsiranoka betsaka kokoa. Izany no mahatonga ny fahatsapana hoe jenjina foana ny orona.

Mitombo ny habetsahan’ny rà mivezivezy ao amin’ny vatana

Rehefa bevohoka ny vehivavy dia mitombo be ny habetsahan’ny rà ao amin’ny vatana mba hanomezana izay ilain’ny zaza ao an-kibo. Misy fiantraikany amin’ireo lalan-drà madinika ao amin’ny orona izany, ka mahatonga azy ireo mora mivonto. Vokatr’izany dia lasa sarotra kokoa ny miaina amin’ny orona ary mahatsapa jenjina matetika ny reny bevohoka.

Mora « irrité » amin’ny zavatra manelingelina ny orona

Misy ihany koa ny vehivavy bevohoka sasany lasa mora « irritées » kokoa amin’ny vovoka, vovobonin-javamaniry (pollen), setroka sigara, fofona mahery, na zavatra hafa mety hanorisory ny lalam-pisefoana. Na dia tsy nanana olana tamin’izany aza izy talohan’ny fitondrana vohoka, dia mety hahatsapa « irritations » bebe kokoa ny orony mandritra io vanim-potoana io.

Inona no mahatonga fahatsapana toa voan’ny sery foana ?

Ny « rhinite de grossesse » dia mety hiteraka soritr’aretina mitovitovy amin’ny sery, toy ny:
-Orona jenjina;
-Misy lelo;
-Mievina matetika;
-Fahatsapana tsindry ao amin’ny orona;
-Fahasarotana miaina, indrindra amin’ny alina.
Tsy toy ny sery vokatry ny viriosy anefa izy io satria matetika tsy misy tazo, tsy misy fanaintainan’ny vatana, ary tsy miaraka amin’ny aretin-tenda.

Ahoana ny atao hampitoniana ny orona jenjina?

Misy fomba tsotra afaka manampy azo ampiharin’ny bevohoka :
-Mampiasa rano masira (sérum physiologique) hanadiovana ny orona;
-Misotro rano ampy isan’andro mba tsy ho maina ny vatana;
-Mampiasa « humidificateur d’air » raha maina ny rivotra ao an-trano;
-Mampiakatra kely ny loha rehefa matory;
-Manalavitra ny setroka sigara sy ireo zavatra mety hanorisory ny orona.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Tsara ny manatona mpitsabo raha toa ka:
-Misy tazo;
-Marary mafy ny loha;
-Mavo na maitso matevina ny lelo;
-Sahirana be miaina ;
-Manelingelina mafy ny fiainana andavanandro ny soritr’aretina.
Mety manondro aretina hafa mila fitsaboana manokana ireo soritr’aretina ireo.

Lire la suite

Articles Similaires