Ara-dalàna ve raha mievona matetika ny zaza?
Zavatra isan’ny mampanahy ray aman-dreny maro ny mahita ny zanany kely mievona imbetsaka anatin’ny tontolo andro. Amin’ny ankamaroan’ny tranga dia zavatra ara-dalàna tanteraka izany ary tsy midika akory hoe marary ilay zaza. ‘Ndeha ho resahana eto ny tsara fantatra mikasik’izany.
Inona no mahatonga ny zaza mievona matetika ?
Kely sy mora tohina ny lalan-drivotra ao amin’ny oron’ny zaza vao teraka sy ny zaza mbola kely. Ny fievonana dia fihetsika voajanahary manampy azy hanala vovoka, poti-javatra madinika, ronono na tsiranoka mety hanentsina ny orony. Tsy mahay manisina tahaka ny olon-dehibe ny zaza. Noho izany dia ampiasain’ny vatany ny fievonana mba hanadiovana ny lalam-pisefoana.
Mety ho fambaran’aretina ve ny fievonan’ny zaza matetika anatin’ny iray andro ?
Raha mievona indraindray ny zaza dia matetika tsy midika izany fa marary izy. Kanefa, raha misy soritr’aretina hafa miaraka amin’izany, dia mety misy aretina na « irritation » ao amin’ny lalam-pisefoana. Tsara araha-maso raha misy:
-Tazo;
-Kohaka maharitra;
-Fahasarotana amin’ny fifohana rivotra;
-Tsiranoka be mivoaka amin’ny orona;
-Tsy fahazotoana misotro ronono na mihinana;
-Havizanana na fahalemena tsy mahazatra.
Raha miseho ireo soritr’aretina ireo dia tsara ny manatona mpitsabo.
Inona avy ireo anton-javatra mety mampitombo ny fievonana?
Misy antony maro ao amin’ny tontolo iainana mety hahatonga « irritation » amin’ ny oron’ny zaza ka mampitombo ny fievonana :
-Vovoka;
-Setroka sigara;
-Ditin-kazo manitra na vokatra fanadiovana misy fofona mahery;
-Rivotra maina;
-Volon’ny biby fiompy.
Ny fitazonana ny trano ho madio sy hazoan-drivotra tsara dia afaka manampy amin’ny fampihenana ireo anton-javatra voalaza ireo.




