Fetin’ny fahaleovan-tena : Haharitra iray volana ny fankalazana, haseho ny firaisankina sy ny fanavaozana
Hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 1 jona izao, eny amin’ny Parvis Antananarivo ny fankalazana ny fetim-pirenena. Feno 66 taona amin’ity taona 2026 ity ny nahazon’i Madagasikara, ny fahaleovan-tena. Haharitra iray volana ny hetsika rehetra ary hankalaza avokoa manerana ny Nosy. « Fanavaozana ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara », izany no lohahevitra amin’ity taona ity.
Fankalazana hiompana amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanavaozana
Hiavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena amin’ity taona ity, araka ny nambaran’ny Komity nasionaly mpikarakara izay tarihin’ny Jeneraly Dodo Andrianilaina Tiana. Hifantoka amin’ny fanavaozana ny firenena, ny fitiavan-tanindrazana, ny firaisankinan’ny Malagasy ary ny fampiroboroboana ny soatoavina maha Malagasy ny hetsika rehetra mandritra io iray volana io.
Noraisina manokana io lohahevitra io, hanehoana ireo fanamby mbola atrehin’ny firenena, toy ny fanovana toe-tsaina, ny fanatsarana fotodrafitrasa ary ny fampandrosoana ankapobeny. Kendrena amin’izany ny hanomezana fanantenana vaovao sy hamprisihana ny rehetra handray anjara amin’ny fanavaozana ny firenena.
Ny fanokafana ofisialy ny 1 jona moa dia homarihina amin’ny fananganan-tsaina sy seho lehibe voalaza fa mbola tsy fahita hatrizay. Ao anatin’izany ihany koa no hanazavana mikasika ny lohahevitra sy ny sary famantarana ofisialy.
Hetsika ara-kolontsaina, ara-tsosialy ary ara-miaramila maro samihafa
Anisan’ny hetsika voalahatra mandritra ny volana jona ny fanentanana momba ny fanabeazana olom-pirenena, ny fanajana ny sainam-pirenena ary ny soatoavina maha Malagasy. Hisy ihany koa ny fiaraha-mientana ara-pinoana miaraka amin’ny FFKM, ny finoana silamo ary ny Fiangonana Advantista.
Etsy ankilany dia hasongadina manokana ny kolontsaina Malagasy amin’ny alalan’ny fampirantiana ny fomba amam-panao, ny sakafo nentin-drazana, ny fitafy ary ireo vakoka ara-kolontsaina samihafa. Tsy hohadinoina koa ny lafiny sosialy amin’ny alalan’ny fizarana fanomezana ho an’ireo olona marefo eto Antananarivo sy ny manodidina.
Toy ny isan-taona, eo amin’ny sehatra ara-miaramila sy ara-panatanjahantena dia hisy ny matso sy seho lehibe eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ary hiverina ihany koa ny “Kermesse militaire”. Hisy fifaninanana rugby, basikety ary tenisy ihany koa mandritra ny fankalazana. Tsy hadinoina ihany koa ny fanapoahana afomanga, ary ahitana izany avokoa, isaky ny distrika.
Nanamarika ny mpikarakara fa hapetraka ny fepetra hentitra hiantohana ny filaminana. Voarara tanteraka arakaizany ny fampiasana tsipoapoaka sy laser eny amin’ireo toerana be olona.




