• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

FEPA 2026 : Tosika ho an'ireo mpisehatra amin'ny fambolena sy ny fiompiana

28/05/2026 13:09 © Moov

Misokatra androany 28 may ny "Foire de l'Elevage et de la Production Animale" (FEPA), ary maharitra 4 andro : tsy mifarana raha tsy ny alahady 31 may.

Tranoeva miisa 130 eo ho eo no azo tsidihana eny amin'ny MPE Nanisana mandritra ny 4 andro. Mpandraharaha malagasy sy vahiny misehatra amin'ny fambolena sy ny fiompiana no mampiranty vokatra sy tolotra mahaliana eny an-toerana.

Sehatra hanohanana ireo tantsaha Malagasy

Mamelona ankohonana an-tapitrisany maro ny fambolena sy fiompiana eto Madagasikara. Mbola miankindoha amin'ny vokatra eto an-toerana mantsy isika Malagasy, na dia eo aza ireo entana afarana avy any ivelany. Maro an'isa ireo mpamboly mitondra vokatry ny tany ekolojika, izany hoe tsy nampiasana akora simika ny nambolena azy. Mahasalama sady maharitra kokoa ireny legioma sy voankazo natoraly ireny, ka anentanana ny rehetra ny fanjifana izany. Maromaro ihany koa ireo tranoeva mampiranty vokatra voahodina : voankazo maina, karazana "chips", fromazy, yaourt, koba, sns. Tsy diso anjara araka izany ireo tia manandrana tsiro vaovao : tsy vitsy ireo mpandraharaha manomana fanandramana maimaimpoana na "dégustation gratuite".
Ahitana ireo mpiompy mivarotra biby fiompy na hanina ihany koa eny amin'ny NPE Nanisana : trondro, akoho amam-borona, kisoa, bitro, sns. Manome torohevitra mahasoa ho an'ireo te hiompy sy hampiasa vola ireo mpivarotra, ho mariky ny fifanohanan'ny samy mpandraharaha.

Sehatra hifanohanan'ny mpandraharaha

Natao hampihaonana ireo samy mpisehatra amin'ny fambolena sy ny fiompiana izao FEPA 2026 izao. Tsy vitsy ireo mpandraharaha mitady mpamatsy sy fiaraha-miasa amin'ny asa sahaniny. Misy ihany koa ireo orinasa lehibe manohana ny hetsika, izay mikendry hatrany ny tombontsoan'ireo tantsaha sy ireo mpitsidika rehetra. Anisan'ireo mpanohana sy mpampiranty moa ny Yas Madagascar, amin'ny alalan'ny MBalik. Hita eny amin'ny MPE Nanisana avokoa ireo fitaovana mandeha amin'ny herin'ny masoandro, mba hisitrahana angovo na any an-tany lavitry ny tanan-dehibe aza.
Tanjon'ny mpikarakara moa ny hisian'ny FEPA any amin'ny faritra ivelan'Antananarivo. Kendrena ho tanteraka amin'ity taona 2026 ity izany, mba hanohanana ireo mpamboly sy mpiompy manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires