• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Arphine Rahelisoa
Image
Vaovao

PDS Ralambomanana Feno : Tsy hametraka jadona amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo

21/04/2026 15:40 © Moov.Mg

Tontosa androany 21 aprily 2026 maraina, teny amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra eny Analakely, ny lanonana fifamindram-pahefana teo amin’ny PDS vaovao, Ralambomanana Feno sy ny Ben'ny tanàna lefitra, Rajonson Zaratiana Finaritra. Ny fandaminana sy ny fanadiovana ny tanàna, ao anatin’ny fifampiresahana, no laharam-pahamehan’ny PDS vaovao, araka ny voalazany.

Renivohitra iaraha-manana

« Tsy mametraka jadona, fa mifampiresaka sy mitady vahaolana iarahana ». Izany no nambaran’ny filohan’ny delegasiônina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Ralambomanana Feno, ho fomba hitantanany ny renivohitr’i Madagasikara. Laharam-pahamehana, araka ny nambarany, ny fandaminana ny tanàna, manoloana ny fisian’ireo lalana maro izay feno lavadavaka sy ireo toerana mbola misy fako. Notsipihiny fa na mbola tsy nandray ny toerana maha-PDS azy tamin’ny fomba ôfisialy aza izy, dia efa nirotsaka nandamina. Raha tsiahivina tokoa dia nitrangana korontana teny Behoririka tamin’ny zoma 17 martsa lasa teo, noho ny fandaminana nahakasika ireo mpivarotra teny an-toerana. Nidina teny an-toerana Ralambomanana Feno, nifampiresaka tamin’izy ireo ary nitondra vahaolana fohy ezaka.

Nambaran’ny PDS vaovao, fa « tsy mora ny zava-misy eto Antananarivo ». Nanao antso miantefa mivantana amin’ny mponina izy, noho izany : « Tsy an’ny eto Antananarivo ihany ity tanàna ity fa an’ny Malagasy iray manontolo, ka mba ho tanàna mendrika, mahate-ho tia, mahate-honina sy ho maodely ny renivohitr’i Madagasikara ».

Ny lalàna no arofanina

Tsiahivina fa namoaka didy ny Filàn-kevi-panjakana (Conseil d’Etat), tamin’ny 9 martsa 2026, manafoana ny valin’ny fifidianana Ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra, izay natao tamin’ny 11 desambra 2024. Nesorina tamin’ny toerana maha-Ben’ny tanàna azy, niaraka tamin’izany, Ramanantsoa Harilala, ka ny Ben'ny tanàna lefitra Rajonson Zaratiana Finaritra, no nandray vonjimaika ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Nesorina, araka io didy navoakan’ny Filàn-kevi-panjakana io ihany koa, ireo Mpanolo-tsaina Monisipaly. Manoloana ny ahiahy ny amin’ny tsy fisian’ireto farany, izay tokony hipetraka ho mpanara-maso ny mpanatanteraka, dia nanambara ny PDS Ralambomanana Feno fa misy ny lalàna mipetraka, ka izany no hatao arofanina amin’ny fanatanterahana ny asa rehetra, na tsy misy mpanolo-tsainan’ny tanàna intsony aza.

Nandray ny andraikiny amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo androany ihany koa ireo filoha lefitra miisa roa, ka Ralaiarison Nirina Thierry no filoha lefitra voalohany ary Ranaivoson Ny Hery no filoha lefitra faharoa.

Lire la suite

Articles Similaires