• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

Fanabeazana : Horaisina ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM 24 ao amin’ny EPP Besakoa Toliara

20/04/2026 18:05 © Moov.Mg

Nahazo tombony manokana ny EPP Besakoa, ao Toliara, nandritra ny dia notanterahin’ny delegasiônin’ny fitondram-panjakana tany Toliara, tamin’iny herinandro lasa iny. Efa simba tanteraka ny fotodrafitrasa ary mpampianatra FRAM avokoa ireo mpanabe 24 isa misahana ny fanabeazana ireo mpianatra.

Sekoly nianaran'ny filohan'ny Fanavaozana

Sekoly nanovozan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël, fahalalana, ny sekoly fanabeazana fototra (EPP) ao Besakoa Toliara. Tao amin’ity sekoly ity no nahazoany ny mari-pahaizana CEPE, tamin’ny taona 1985 tany ho any. Araka ny fantatra dia niorina tamin’ny taona 1955 ity sekoly ity, izay ahitana mpianatra 1.012 isa. Na eo aza izany hamaroan’ny mpianatra izany, dia 12 monja no isan’ny efitranon-tsekony ianaran’izy ireo. Miisa 24 kosa ireo mpampianatra FRAM misahana ny fanabeazana azy ireo. Araka ny fantatra dia efa niasa maherin'ny 10 taona avokoa izy ireo, saingy mbola tsy nisy voaray ho Mpiasam-panjakana.

Isan’ireo toerana notsidihin’ny filohan’ny Fanavaozana mivady, niaraka tamin’ireo delegasiônina niaraka taminy, ny EPP Besakoa, nandritra ny dia notanterahin’izy ireo tany Toliara, nandritra ny Tsapiky Festivaly. Manoloana izany dia nampanantena ny kôlônely Randrianiaina Michaël fa horaisina ho mpiasam-panjakana avokoa ireo mpampianatra 24 mianadahy miasa ao amin'ny EPP Besakoa.

Fotodrafitrasa efa simba tanteraka

Nandritra ity fitsidihana ity no nahitana fa simba tanteraka ny fotodrafitrasa ao an-toerana. "Mampalahelo ny fotodrafitrasa ary mila fanavaozana ny sekoly satria dia potika tanteraka sy rava", hoy ny filohan'ny Fanavaozana. Mba ho fanatsarana ny fanabeazana dia nisy ireo fampitaovana natolotry ny fitondram-panjakana. Ny EPP Besakoa manokana dia nisitraka tafo fanitso miisa 100 miampy loko 10 boaty. Nisy ihany koa fanolorana fitaovam-pianarana "kits scolaires" 120 isa, ka ny 60 isa tamin’ireo dia ho an'ny EPP Besakoa ary ny 60 kosa ho an'ny EPP Morafeno. Mbola nahazo dabilio miisa 100 ihany koa ny sekoly fanabeazana fototra ao Besakoa, raha dabilio 50 isa avy kosa ho an'ny CEG sy ny lisea Antaninarenina. Tetsy an-daniny, notolorana "vidéo-projecteurs" miisa 10 ny fitaleavam-paritry ny fanabeazana any Atsimo Andrefana, ka ny 1 hampiasan'ny DREN ary ny 9 dia ho an'ireo CISCO rehetra ato amin'ny Faritra.

Nanotrona ny filohan'ny Fanavaozana mivady, nandritra ity fitsidihana ny EPP Besakoa ity, ireo Mpanolo-tsaina Avo, ny filohan'ny Antenimierampirenena, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ireo minisitra isan-tsokajiny.

Lire la suite

Articles Similaires