Tetibola voafetra nefa te hihinana sakafo voalanjalanja : ahoana ny atao ?
Maro ny tokantrano sahirana amin’ny fivelomana eto Madagasikara, indrindra amin’ny resaka sakafo. Miakatra ny vidim-piainana, miovaova ny vokatra eny an-tsena, ary matetika voafetra ny vola. Na izany aza nefa dia mbola azo atao tsara ny mihinana sakafo voalanjalanja sy mahasalama rehefa mahay misafidy sy mandamina. Ireto ary misy torohevitra vitsy hahafahana mihinana sakafo ara-pahasalamana na dia voafetra aza ny tetibola.
Ny sakafo fototra sy mahavelona no atao laharampahamehana
Ny vary no sakafo fototra eto Madagasikara, ary manome angovo ilain’ny vatana. Tsy ampy kosa nefa raha izy irery no hoanina fa ilaina ny manampy sakafo hafa hahazoana otrikaina feno. Tsara ny mampiaraka azy amin’ny :
Legioma izay mitondra « protéine végétale », toy ny tsaramaso, voanemba, kabaro… izay mora vidy, mahavoky ary manampy amin’ny fanonerana ny herin’ny vatana. Afaka mahasolo ny hena lafo vidy izy ireo.
Sakafo manankarena fibra izay manampy amin’ny fandevonan-kanina sy fisorohana aretina sasany. Anisan’ny sakafo be fibra ny voamaina, ny voankazo…
Mihinana legioma sy anana isan’andro
Ny legioma dia tena ilaina satria manome vitamina sy mineraly. Tsy voatery ho lafo izy ireny rehefa hay tsara ny mifidy azy. Ireo legioma vokatra amin’ny vanim-potoana no vidiana satria mora kokoa izy ireny. Miantsena ao amin’ny tsenam-pokontany fa tsy mandeha mitety tsena lavitra satria sady mandany fotoana no lany saram-pitaterana.
Ny karazana anana rehetra, ny voatavo, ny karaoty sy ny voatabia dia isan’ireo legioma be otrikaina sy mineraly mora hita eny an-tsena. Ny fihinana legioma isan’andro, na dia kely aza, dia efa manampy hiarovana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Mampiditra proteinina tsy lafo vidy amin’ny sakafo andavanandro
Ny proteinina dia ilaina amin’ny fitomboana sy ny fanarenana ny vatana. Maro amintsika no mihevitra fa ny sakafo lafo vidy, toy ny hena, akoho amam-borona, trondro, vokatra avy amin’ny ronono…irery ihany no mitondra azy io. Marihana nefa misy sakafo maro, tsy lafo, nefa afaka mitondra ny proteinina ilain’ny vatana amin’ny andavanandro, toy ny atody, trondro maina sy trondro madinika, voanjo…
Fehiny
Tsy voatery hihinana sakafo be hena sy lafo vidy vao afaka mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana. Ho antsika eto Madagasikara dia mbola betsaka ny vokatra natoraly mahasalama sy tsy lafo ahafahana mahazo ny otrikaina sy mineraly ilain’ny vatana. Mila hay tsara fotsiny ny misafy sy mampiaraka azy ireo rehefa mikarakara ny sakafo andavanandro.



