• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Audreytips
Image
Asa & Fianarana

Ireo fahadisoana manakana ny fahombiazan’ny orinasa madinika

20/04/2026 10:23 © Moov.Mg

Maro ny olona manomboka orinasa madinika noho ny faniriana hahaleo tena ara-bola, hampitombo ny vola miditra... Betsaka nefa ireo mpandraharaha tsy mahomby. Tsy noho ny tsy fisian’ny hevitra, fa noho ny fahadisoana tsy voahevitra izay azo ialàna tsara. Ilaina ny fahafantarana ireo lesoka mba hampitomboana ny vintana hahombiazan’ny orinasa madinika sy hampiroboroboana izany.

Fahadisoana tsy mampahomby ny orinasa madinika : tsy fisian’ny drafitra mazava

Anisan’ny fahadisoana mahazatra izay mahatonga ny orinasa madinika tsy mahomby ny tsy fisian’ny drafitra mazava dieny am-boalohany. Maro tokoa ireo olona miditra amin’ny sehatry ny fandraharana no miditra an-jambany vao manana hevitra sy vola hiantombohana. Marihana nefa fa mila vina sy tanjona hatrany ny tetik’asa, na dia orinasa kely aza. Faritana anatin’izany ny : mpanjifa kendrena, ny paikady sy ny vinavina ara-bola. Rehefa mipetraka tsara sy arahana tsara io drafitra io dia ambony kokoa ny vintana ahombiazan’ny orinasa madinika izay hatsangana.

Tsy fahafantarana ny tsena

Maro tokoa ireo mpandraharaha vao manomboka no mihevitra hoe tena tsara ny heviny sy ny tetik’asany. Marihana nefa fa raha tsy misy fandinihana ny tsena dia afaka ny ho fantatra mazava hoe tena ilain’ny mpanjifa tokoa ve izany. Ny fandinihana ny tsena dia manampy hafantarana ny filan’ny olona sy ireo orinasa mpifaninana (concurrents). Ny orinasa madinika tsy nanatanteraka tsara io dingana io dia mety sarotra na tsy hahalafo ny entana na servisy amidiny, mety ho mora lavon’ny mpifaninana ara-barotra…

Fitantanam-bola tsy mahomby

Isan’ny fahadisoana iray tsy mampahomby ny fandraharahana madinika nny fampifangaroana ny vola miditra (chiffre d’affaires) sy ny tombony (bénéfice). Raha izany no mitranga dia mety ho lasa voakitika hatramin’ny masonkarena ka ho faty ny orinasa. Ankoatra izany, ny tsy fanaraha-maso ny fandaniana, ny tsy fahampian’ny vola mihodina, na ny fitantanana tsy voalanjalanja dia mety handrendrika ny orinasa, na dia misy mahalafo aza.

Te hisahana irery ny zava-drehetra

Amin’ny maha orinasa madinika ny hatsangana dia mety te hitsitsy amin’ny voalohany ka manao irery ny asa rehetra. Marihana nefa fa ny tsy fangatahana fanampiana na ny tsy fizarana asa dia mety hanakana ny fivoaran’ny orinasa. Tsara hatrany ny miara-miasa na mitady torohevitra amin’ny hafa satria maro ny fahaiza-manao ilaina mba hampandeha ny tetik’asa.

Fanaovana tsirambina ny « marketing »

Marina fa zava-dehibe ny fananana vokatra tsara rehefa manangana orinasa madinika. Tsy ampy hampandeha sy hampiroborobo azy nefa izany. Raha tsy fantatry ny olona ny fisiana dia mazava ho azy fa tsy halafo ary tsy hampidi-bola. Noho izany dia tsy azo atao tsirambina ny dokam-barotra sy ny serasera, na ny amin’ny tambajotra sosialy izany, na amin’ny fomba hafa.

Tsy faharetana

Ity no isan’ny fahadisoana tsy mampahomby ny orinasa madinika. Matetika tokoa mantsy dia sarotra ny fanombohana. Mety miadana ny varotra ary maro ny sakana. Maro noho izany ny mpandraharaha no tsy maharitra ka dia miala andaharana malaky. Ny fahombiazana amin’ny fandraharahana madinika nefa dia mila faharetana, finiavana ary fikirizana.

Lire la suite

Articles Similaires