Ahoana ny fanomanana ny vatana ho amin’ny fitondrana vohoka ?
Maro ankehitriny ny mpivady manomana ny fitondrana vohoka. Tsy manomboka amin’ny andro anapahan-kevitra hanan-janaka io fiomanana io fa atao mialoha. Mila omanina ny vatana sy ny saina mba hahazoana vokatra tsara sy hananana vohoka milamina. Ireto àry misy torohevitra tsotra sy voajanahary manampy mba hanomana ny tena amin’izany dingana vaovao izany.
Fiomanana amin’ny fitondrana vohoka : mihinana sakafo voalanjalanja
Zava-dehibe amin’ny fahavokarana ny sakafo. Anisan’ny fiomanana ho amin’ny fitondrana vohoka araka izany ny fisafidianana sakafo manankarena otrikaina:
-Anana maitso (toy ny epinara, brokoly) izay manankarena « acide folique »,
-Voankazo be « antioxydants »,
-Proteinina tsara kalitao (atody, trondro, tsaramaso sy voanjo),
-Tavy mahasalama (zavokà, voanjo, menaka oliva).
Ahena ny sakafo voahodina, siramamy be loatra ary tavy ratsy. Ny sakafo tsara dia manampy amin’ny fandrindrana ny hormonina.
Mitazona lanja mety
Ny lanja ambany loatra na avo loatra dia mety hanelingelina ny fadimbolana sy ny fivoahan’ny atody (ovulation). Maro tokoa ny vehivavy sarotra mahazo zaza noho ny tavy be loatra na ny ahia be loatra. Tsy ny fahalavorariana akory ny tanjona fa ny fifandanjana. Mila karakaraina aloha izany ny lanja rehefa miomana ny hitondra vohoka.
Manao fanatanjahan-tena tsy tapaka
Ny fanatanjahan-tena dia manatsara ny fivezivezen’ny ra, mampihena ny adin-tsaina ary manampy amin’ny fifandanjan’ny hormonina. Afaka misafidy karazana fanazaram-batana tsotra toy ny mandeha tongotra, milomano, manao « yoga »… Tsy manao fanatanjahantena tafahoatra kosa nefa satria mety tsy hahazoana vokatra tsara izany.
Mampihena ny adin-tsaina
Ny adin-tsaina dia mety hanakorontana ny hormonina ka hisy fiantraikany amin’ny fahavokarana. Rehefa miomana ho amin’ny fitondrana vohoka dia mila mianatra mandamin-tsaina sy mampihena ny adin-tsaina. Anisan’ny fomba manampy amin’izany ny fanaovana « méditation », fialana voly (mamaky boky, mihaino mozika)… Zava-dehibe ny fikarakarana ny saina sy ny fihetseham-po.
Miala amin’ny zavatra manimba
Misy ireo zavatra mety hanimba ny fahavokarana ka tokony hialana rehefa miomakomana ny hitondra vohoka. Anisan’izany ny fifohana sigara, fisotroana toaka, fisotroana kafe be loatra, fiaretan-tory lava… Ny fanalavirana ireo fahazaran-dratsy ireo dia manampy amin’ny fahazoana vohoka sy fitondrana vohoka salama.




