Fanajana ny sainam-pirenena : Tsy manao jery atrika intsony ny olona sivily, hoy ny filohan'ny Fanavaozana
Hamoaka filazana ofisialy, ny amin'ny fomba hanajana ny sainam-pirenena ny fitondrana Fanavaozana ato ho ato, araka ny nambaran'ny filoham-panjakana, ny kôlônely Randrianirina Michaël, omaly, nandritra ny fanamarihana ny faha-79 taonan'ny tolom-pahafahana 29 martsa 1947, tany Moramanga.
Mamoha ny fitiavan-tanindrazana
Fotoana iray mamoha ny fitiavan-tanindrazana eo amin'ny Malagasy ny fitsingerenan'ny datin'ny 29 martsa. Nilaza ny filohan'ny Fanavaozana, fa maro tamin'ireo mpanatrika no latsa-dranomaso, nandritra ny lanonam-pankalazana notontosaina teny amin'ny Fasan'ny Maherifo teny Avaratr'Ambohitsaina (Mausolée), omaly. Antony : nampihetsi-po ireo hetsika rehetra nitsiahivana ny tolona nataon'ireo razambe fahiny, mba hialana amin'ny vahohon'ny mpajana-tany, saingy indraindray anefa, toa adino ireo ra latsaka tamin'izany fotoana izany.
Marika iray maneho ny fiandrianam-pirenena, miaraka amin'ny tenim-pirenena sy ny hiram-pirenena, ny sainam-pirenena. Hiova endrika ny fomba ho entin'ny Malagasy manaja izany sainam-pirenena izany, raha ny nambaran'ny kôlônely Randrianirina Michaël, omaly, tany Moramanga. Hatokana ho an'ireo Miaramila sy Zandary ny fanaovana ny jery atrika, manomboka izao, fa ny olona sivily kosa dia hijoro mahitsy sy hametraka ny tanana tandrifin'ny fo. Hisy filazana ôfisialy havoakan'ny fitondram-panjakana mahakasika izany, atsy ho atsy, hoy ny nambarany.
Fitondrana miady amin'ny kolikoly
Etsy an-daniny, nasiaka ny filohan'ny Fanavaozana raha namotsipotsitra ny mbola fisian'ny trangana kolikoly manjaka eto Madagasikara, izay nosokajiany ho fanetriben'ny firenena. "Isaky ny manao kolikoly ianao dia tadidio ny ran'ireo niady ho an'ny Tanindrazana". Izay raha fintinina ny nambarany. Nolazainy fa mifototra tanteraka amin'ny ady amin'ny kolikoly ny fitondram-panjakana ankehitriny ary "tsy hananana havana izany", hoy ny kôlônely Randrianirina Michaël.
Tsiahivina fa toerana telo teto Madagasikara no nanamarihana tamin'ny fomba ôfisialy ny tsingerin-taona faha-79-n'ny tolom-pahafahana 1947, omaly 29 martsa 2026, dia ny teny amin'ny Fasan'ny Maherifo eny Avaratr'Ambohitsaina Antananarivo, ny tany Moramanga ary ny tany Manakara. Ireo roa voalohany no natrehin'ny filohan'ny Fanavaozana mivady.




