Sabotsin’ny Paska : Eny amorondranomasin’i Toamasina ny andiany voalohany amin’ny Seaside Party
Lanonana amin’ny endriny vaovao ho an’ny mponin’i Toamasina. Hotanterahina amin’ny sabotsin’ny paska, 4 aprily, izao ny andiany voalohany amin’ny Seaside Party ; izay hatao eny amin’ny morondranomasin’ny Filaos Beach.
Fety miavaka amin’ny alina
Andiany voalohany ity, hotanterahina, amin’ity taona 2026 ity. Hiavaka ny fety, izay hanomboka amin’ny 6 ora hariva hatramin’ny marainan’ny 5 aprily. Mandritra izany dia hisy ny fampisehoana sy ny fanentanana ary ny kilalao samihafa.
Hifandimby hanafana ny sehatra amin’izany i Shadow Banks, Anatal, Joyce Mena, Ngiah Tax, ary i Jack Dad, ho an’ireo mpanakanto efa manana ny toerany. Hanampy azy ireo, sy hamalifaly ireo mpanatrika ihany koa ireo mpanakanto vao misondrotra, avy ao an-toerana toa an’i Dijoyh, Baby Joby, A Land, K J Bass, Caius, ary Geth’s. Nanome toky ireo mpikarakara fa haharitra mandra-maraina io fety io ary hisy ny fanentanana samihafa eo anelanelan’ireo mpanakanto. Hampandihy amin’izany ireo DJ miisa 3, ahitana an’i Mr Cousin, DJ Skull ary i DJ Skyleur. « Tsy voatery handeha any Foulpointe intsony ny mponin’i Toamasina manomboka izao, fa ny hetsika Seaside Party dia efa ampy hanome fahafinaretana, sy ambiance mafana », hoy ny mpikarakara.
Nanamarika ihany koa izy ireo fa hisy ny « écran géant LED », mbola hanomezana fahafaham-po ireo izay hanatrika.
Fety voarindra
Na dia andiany voalohany aza ity hetsika ity dia nanamarika ireo mpikarakara fa efa voahevitra avokoa ny lafiny fandaminana. Hisy mpitandro filaminana, mandritra io alina io, mba hitandroana ny fandriam-pahalemana ary hisy mpiambina ihany koa ny fiantsonan’ny fiara. Ny vidim-pidirana ihany koa dia natao indrindra mba ho mendrika izany filaminana izany, ny rehetra. Azo jifaina amin’ny vidiny 10 000 Ariary ny tapakila, 15 000 ariary izany, rehefa eny an-toerana ary 40 000 ariary ny famandrihan-toerana.
Marihina fa hiarahana miasa amin’ny Yas Madagasikara sy ny orinasa Star ihany koa ny hetsika. Araka izany, hisy ny fanentanana samihafa mba hahazoan’ny tsirairay izay fahafinaretana tadiavin’izy ireo.




