• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rohy
Image
Vaovao

Fanavaozana : Manatanteraka dinika mahaleo tena sy misokatra amin’ny rehetra ny fiarahamonim-pirenena

25/03/2026 16:33 © Moov.Mg

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany 25 Martsa 2026 ny dinika misokatra sy mahaleo tena karakarain’ny Fiarahamonim-pirenena malagasy. Ity hetsika ity dia mikendry ny hametraka fototra vaovao ho an’ny "Fanavaozana" an’i Madagasikara, taorian’ny krizy niseho tamin’ny volana septambra 2025.

Dinika hanangonana ny hetahetan’ny olom-pirenena rehetra

Eto amin’ny Faritra Analamanga no anombohana ny Fikaonadoha Nasionaly Mahaleo tena sy andraisan’ny rehetra anjara ataon’ny firaisamonim-pirenena Malagasy (Concertations nationales inclusives et indépendantes de la société civile malagasy), araka ny fanambarana nataon’izy ireo teny amin’ny Foiben’ny hetsika Firaisamonim-pirenena Rohy, teny Ambatonakanga, androany. Tsy hijanona eo an-drenivohitra ihany anefa ny fihainoana ny feon’ny vahoaka, fa hisy ny dingana voalamina hitety ny faritra 24 manerana ny nosy. Ny tanjona dia ny hanangonana ny hetahetan’ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka, indrindra fa ny feon’ireo any ambanivohitra, ny tanora, ny vehivavy, ary ny olona manana fahasembanana.

Komity mpitarika ahitana fikambanana sy sehatra 30 avy amin’ny fiarahamonim-pirenena no mitantana ny dingana. Namafisin’izy ireo fa miasa ao anatin’ny fahaleovantena tanteraka izy ireo, nefa misokatra amin’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny Ministera misahana ny Fanavaozana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika.

Fitakiana ny tombontsoa iombonan’ny Malagasy

Mba tsy hiverenan’ny fahadisoana taloha, dia nanamafy ny Fiarahamonim-pirenena fa tsy maintsy miorina amin’ny foto-kevitra efatra ny Fanavaozana : ny mangarahara amin’ny fitantanana, ny tamberin’andraikitra avy amin’ireo mpitondra, ny tsy fitanilana ary ny fampandraisana anjara ny rehetra. " Miankina amin’ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fomba tena mahomby, tsy manavaka ny sokajin’olona rehetra, amin’ny dingana rehetra, ny fahombiazan’ity vanim-potoana manan-danja ity", hoy ny fanambarana. Ankoatra ny fanombohana ny dinika, nisy ny antso avo nataon’ny fiarahamonim-pirenena amin’ny Praiminisitra vao voatendry. Angatahan’izy ireo ny hanaovana ho laharam-pahamehana ny fametrahana rafitra mazava ho an’ny Tetezamita. Ilaina ny fananana tetiandro sy fomba fiasa fantatry ny rehetra mba hiantohana ny fanjakana tan-dalàna.

Ny soso-kevitra sy fehin-kevitra rehetra hivoaka amin’ny dinika karakarain’ny Fiarahamonim-pirenena dia hatolotra ny Fanjakana ho fanohanana ny dinika nasionaly, saingy ambonin’izany rehetra izany, dia natao ho fitaovana hitakiana ny tombontsoa iombonan’ny Malagasy rehetra izany.

Lire la suite

Articles Similaires