Ady amin’ny tazomoka : Manamafy ny fanohanany ny rojom-pamatsiana fanafody eto Madagasikara i Etazonia
Nitsidika ny orinasa SALAMA ny herinandro lasa teo ny Lefitry ny Masoivoho amerikana mpisolo toerana eto Madagasikara, Steve Bremner. Nijery akaiky ny vokatry ny fanohanan’i Etazonia ny rojom-pamatsiana fanafody eto, izy tamin’izany.
Ity fitsidihana ity moa dia tafiditra ao anatin’ny ezaka hiadiana amin’ny fiparitahan’ny aretina eto Madagasikara sy any ivelany.
Fanohanana ara-bola ho an’ny ady amin’ny tazomoka
Nandritra ity fitsidihana ity no nahafahan’ny solontenan’i Etazonia nijery akaiky ireo hetsika tanterahina ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ho fanamafisana ny rafitra famatsiana fanafody. Amin’ny alalan’ny tetikasan’ny filoha amerikana hiadiana amin’ny tazomoka maneran-tany, na ny President’s Malaria Initiative (PMI), dia manome fanampiana mitentina 10 tapitrisa dolara, izany hoe manodidina ny 43 miliara ariary, i Etazonia.
Izany fandaharanasa izany, raha tsiahivina dia tanterahina manomboka ny volana Oktobra 2025 ka hatramin’ny volana Septambra 2026. Natao indrindra hanohanana ny famatsiana fanafody sy fitaovana ilaina amin’ny ady amin’ny tazomoka. Anisan’izany ny fanomezana lay misy odimoka, izay manampy amin’ny fampihenana ny fifindran’ny aretina eny anivon’ny fiarahamonina.
Rafitra ara-pahasalamana matanjaka kokoa no tanjona
Ankoatra ny ady amin’ny tazomoka, ny fanohanan’i Etazonia dia mikendry ihany koa ny hanatsara ny fitantanana ara-pitaovana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamorana ny fahazoana ireo fanafody tena ilaina sy ny fanatsarana ny fitantanana ny tahiry sy ny fanapariahana azy manerana ny Nosy.
Araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra dia tanjona ny hananan’i Madagasikara rafitra ara-pahasalamana matanjaka sy mahaleo tena kokoa. Amin’ny alalan’ny fanamafisana ny rojom-pamatsiana fanafody sy ny fanatsarana ny fitantanana ireo fitaovana ara-pahasalamana dia ho afaka hiatrika tsara kokoa ny fiparitahan’ny aretina i Madagasikara, na eto an-toerana izany na any amin’ny firenena hafa manodidina.
Nohamafisina ihany koa fa ity fiaraha-miasa ity dia mikendry ny hampihena tsikelikely ny fiankinan’i Madagasikara amin’ny fanampiana avy any ivelany. Hanamafy ihany koa ny fahaizan’ny firenena miatrika sy misoroka ny olana ara-pahasalamana amin’ny ho avy.




