Fampianarana ambony : Hotokanana amin’ny volana mey ny oniversite Don Bosco any Moramanga
Hotokanana afaka volana vitsy ny trano lehiben’ny oniversite Don Bosco any Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro. Ny Evekan’i Moramanga, Mgr Rosario Saro Vella, izay avy amin’ny fikambanan-drelijiozy Salezianina no tompon-kevitra tamin’ny fanorenana ity sekoly ambaratonga ambony ity, noho ny fahitany fa ilaina hamafisina ny fanabeazana, hahafahana mamongotra ny fahantrana.
Fanabeazana hialana amin’ny fahantrana
Adin’ny telo hatramin’ny adin’ny efatra eo ho eo, amin’izao fotoana izao, no hanaovana ny lalana mampitohy an’Antananarivo amin’i Moramanga, noho ny haratsian’ny lalana. Fa mbola ratsy lavitra noho izany ny lalana ivezivezena amin’ireo toerana ambanivohitra, izay ao anatin’ny diôsezin’i Moramanga, iasan’ny Mgr Rosario Saro Vella. 75 taona izy ankehitriny ary nandritra ny 45 taona no naha-misiônera azy teto Madagasikara. Izy no eveka tera-tany italianina tokana eto Madagasikara. Ny taona 2019 izy no voatendry ho evekan’i Moramanga. Tao anatin’ny fitetezana ireo distrika katôlikan’i Moramanga no nahitany ireo karazam-pahantrana iainan’ny vahoaka : toeram-ponenana tsizarizary, sakafo tapa-kibo, tsy fisitrahana fitsaboana, asa tsy sahaza sy tsy mendrika, fa indrindra ny tsy fahampian’ireo toeram-pampianarana.
Teo indrindra no nitsirian’ny hevitra hanorina oniversite, hahafahan’ireo tanoran’i Moramanga manovo fahalalana bebe kokoa, ka hihoaran’izy ireo izany fahantrana lalina izany. « Manana mpianatra 10 000 izahay ao amin'ny sekolinay, manomboka amin'ny garabola ka hatramin'ny lisea : harena sarobidy tokoa izany », hoy ny Mgr Rosario Saro Vella. Isan’ny asa iompanan’ny relijiozy Salezianina rahateo ny asa fanabeazana. Manohana ara-bola ity tetikasa lehibe ity ny Fivondronamben'ny Evekan'i Italia (Conférence Épiscopale Italienne # CEI) sy ny fikambanan’ny relijiozy Salezianina ary ireo mpamatsy vola hafa.
Fotodrafitrasa feno
Tanjon’ny Mgr Rosario Saro Vella ny hanangana oniversite lehibe mahazaka mpianatra 1 000 isa fara-fahakeliny. Eo an-dalam-panorenana, izany fotodrafitrasa izany ary kasaina hotokanana amin’ny volana mey ho avy izao ny trano lehibe indrindra amin’izany. Ahitana efitrano fianarana, trano famakiam-boky, trano fonenan’ny mpianatra sy ho an’ireo mpampianatra ao an-toerana. Ankoatra izay dia tanjona ihany koa ny hanorenana trano handraisana ireo vehivavy niteraka nefa nilaozam-bady, sy ireo vehivavy marefo.
Nanomboka tamin’ny taom-pianarana farany teo no efa nandray mpianatra ny oniversite Don Bosco ao Moramanga, na dia mbola tsy tafajoro aza ny vatan-trano natokana hianaran’ireo mpianatra. Ny sampam-piofanana Toekarena sy Lalàna no efa nanombohana ny fampianarana, ka mpianatra manodidina ny 300 isa no efa noraisina. Misy amin’ireo mpianatra no misitraka vatsim-pianarana avy amin’ny diôsezin’i Moramanga. « Miezaka manampy ireo izay rehetra mendrika izany izahay, hoy ny fanazavan’ny Mgr Rosario Saro Vella. Prisca Fenosoa Maharavo, manam-pahaizana momba ny Siansa Politika sy ny Lalàna iraisam-pirenena, no miandraikitra ity oniversite Don Bosco ao Moramanga ity.




